anatrehan’ireo olona mpiara-miasa aminy voasaringotra tamina afera goavana samihafa izay tsy teto ihany fa tafiditra hatrany amin’ny heloka iraisam-pirenena? Raharaha goavana nisongadina ny nisamborana sy nanamelohan’ny Fanjakana Britanika an-dRtoa Romy Voos Randrianarisoa ny aogositra 2023, rehefa nitaky tsolotra 225 000 Livre Sterling sy petra-bola 5% tamin'ny orinasa Giemfields tamina resaka fifanarahana mikasika fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Tale kabinetran’ny Filoham-pirenena sy ny Fiadidian’ny Repoblika, izany hoe tena tanan-kavanana akaiky indrindra ny Filoha no tratra tamin’ny afera goavana iraisam-pirenena. Noboriboriana tamin’ny fanafoanana ny fanendrena sy ny filazana fa nandeha tamin’ny anaran’ny tenany manokana. Mbola mampametra-panontaniana hoe : olon-tsotra ve afaka hanao fifampiraharahana mikasika fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sa Fanjakana ? Vitavita ho azy teo, tsy nisy fepetra na fanenjehana nataon’ny Fanjakana Rajoelina, kanefa ny Firenena manontolo no afa-baraka. Asa mbola nomena toerana tsy ofisialy any an-dapa any aza angamba raha ny ahiahian’ny mpanara-baovao ? Dia io ihany koa ny Minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro izay nesorina rehefa nambara fa nandray fanapahan-kevitra manokana nampidi-kizo ny Firenena. Olona isan’ny tena akaiky an’i Andry Rajoelina i Valery Ramonjavelo, nitana toerana isan’ny stratejika indrindra tamin’ny maha Sekretera Jeneralin’ny Fiadidian’ny Repoblika. Mazava ho azy fa tena mahalala zavatra maro, tena nitokisan’i Andry Rajoelina, nianteherana tamina afera stratejika maro. Dia io fa tratra tamin’ny afera goavana tafiditra amina heloka iraisam-pirenena io. Mazava ho azy fa tsy nandehandeha ho azy tamin’io afera io, fa ahiana ho nisy resa-bola goavana. Dia tena tsy misy ifandraisan’ny Fanjakana Foibe ve ireny afera nahasarongotra olona tena nitokisan’ny Filoham-pirenena ireny ? Ny olona akaiky ny Filoham-pirenena mpanao afera goavana sy tompon’ny kolikoly fa ny tenany madio tsy misy pentina ? Sao mba nampanaovina iraka na « mission » goavana ireny olona ireny ka rehefa tratra dia mandeha ny sinema amin’ny mody fanesorana fa mpinamana ihany any ambadika ? Voahodinana olona be afera na mafia ve ny Filoha sa ny Fanjakana mihitsy sanatria no efa mafia?
IZAY MALOTO DIOVINA, TSY MIFANARY,…
Tranga efa fahita ny fanesorana olona ambony voasaringotra tamina afera goavana na fahadisoana mihoampampana fa nodiovina sy vitavita ho azy avy eo. Taratr’izany ny Minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha Richard Randriamandranto izay nolazaina nanao fahadisoana goavana ara-diplaomatika fa natao kandida tany amin’ny Vondrona Afrikanina avy eo. Voatonontonona tamina afera lehibe tao amin’ny Seranantsambon’i Toamasina Rtoa Rinah Rakotomanga izay efa Talen’ny Seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika, nampangain’ny Tale Jeneralin’ny Madagascar Airlines Thierry de Bailleul ho nanao fitantanana tsy mahomby sy nampidi-trosa sy fatiantoka hatrany amin’ny 70 tapitrisa dolara,… fa tsy very toerana ka any voalaza fa any amin’ny Masoivohontsika any Chine izao. Nisy raharaha nahasaringotra na fahadisoan’ireo Minisitra teo aloha nitarika fialana na fanesorana na fanovana toa an-dry Imbiki Herilaza, Tinoka Roberto, Tianarivelo Razafimahefa,… fa vitavita ho azy teny, narotsaka ho depiote dia madio,…
Toky R