airtel

Politique

31-janv-2022

Politique

Paolo Raholinarivo “Manimba ny Filoha ireo be afera manodidina azy”

Sample post image

Nanao horonan-tsary manokana mikasika an’i Mahery Lanto Manandafy i Paolo Raholinarivo izay mpiasam-panjakana ambony omaly alahady.

31-janv-2022

 “Namangy azy tany, misy zavatra itovizanay, misy tsy hitovizanay, izy mahasahy loatra, izaho mahasahy fa ny hay lanjalanjaiko. Ilain’ny firenena izy, fa nisy zavatra “trop”, dia ilay faniratsirana ny Filoha. Miala tsiny amin’ny Filoha, fa tanora izy. Ialako tsiny ho azy amin’ny maha izaho manokana. Na ny Filoha am-perin’asa na Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina na ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, na pasitera, dia tokony hohajaina, izay no nitenenako an’i Mahery Lanto hoe: aza maniratsiratsira ny Filoha intsony ialahy. Ny ankoatra izay marina ny zavatra lazaina, mamoaka ny tsy mety, ary maro ny mpitondra matahotra hamoahana dosie satria manao kolikoly. Matoa aho namangy azy, dia fantatro fa tsy heloka bevava iny, ary na heloka bevava aza dia manana zo ny havany, namany,… hoy izy. Nametra-panontaniana anefa i Paolo Raholinarivo hoe: olom-pirenena kely io ve dia mampaninona antsika no mamela azy? Io ve dia hampigadra azy sa hoterenareo ihany koa ny mpitsara. Nohitrikitrihany fa tsy ekeny raha mbola maniratsira ny Filoha, fa raha mamosaka ny hadalan’ny mpitondra, dia nilaza ho momba an’i “Malama” ihany koa izy. Nambarany fa tsy vahaolana ny mampiditra am-ponja an’i Mahery Lanto Manandafy; tsy mino aho hoe: ny Filoha no nitory azy, fa ilay manodidina satria ny sasany manana afera, ny sasany tsy mahavita ny asany,… dia matahotra an’i Mahery Lanto. Nambarany fa mampihetry ny Filoha. Raha ny zavatra toy izany no hanagadranareo olona, dia izahay ihany koa hanao, ary tsy atahorako an’iza an’iza, fa manaova ny tsy mety ka fantatro ny dosieny fa havoakako dia gadrao ihany koa aho, hoy izy. Mampaninona ny miova manao toetra, tsy manao kolikoly, tsy manararao-pahefana, tsy manondrana fananam-pirenena,… Rehefa tsy te hokianin’ny olona dia ataovy ny asa satria nomen’ny vahoaka fahefana hitantana ny volam-bahoaka dia hanao “werawera” fahatany avy eo mitady lafika olona hogadraina. Ireo olona tsy manjary ireo no mamotika anao fa tsy Mahery Lanto kely izay iadian’ny olona maro ao anatin’ny fitondrana, hoy hatrany i Paolo Raholinarivo, izay naneho fa manampy ny filoha manoro ny mety sy ny tsy mety io.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap