airtel

Politique

21-sept-2022

Politique

Paolo Raholinarivo “Tsy vitan’ny mokon-doha sy basy ny raharaham-panjakana”

Sample post image

Nanamafy ny Filohan’ny SYNAD na ny Sendikan’ny Adminisitratera sivily Paolo Raholinarivo omaly, raha nivahiny tao amin’ny Top Radio FM 102.8, fa misy vehivavy manaratsy endrika ny Fanjakana ao anatin’ny governemanta,

21-sept-2022

hainy sy hidirany daholo ny zava-drehetra. Lasa manao resaky ny moana sy ny marenina satria izy tsy nianatra resaka fitantanan-draharaham-panjakana indray no lasa mahay azy, hoy I Paolo Raholinarivo. Naneho izy fa raha misy lesoka ataon’izy ireo, dia miaiky, ary nomena hafatra ny Prefen’I Bongolava fa ny sendika tsy fialokafoan’ny mpandika lalàna. “Maninona raha natao ny dosie mikasika ny fahadisoan’ilay Prefe, dia alefa any ambony ny raharaha, fa tsy fitsaram-bahoaka hoe: miala ny préfet, ben’ny tanàna no mitatitra olona, ary ny governora sy ilay minisitra no mamporisika”, hoy ny Filohan’ny SYNAD. 30 ny ben’ny tanàna ao Bongolava, ka nambarany fa ho avy ny valin-kafatra avy amin’ny 24, misy fitoriana an’ireo olona 6. Nomarihiny fa misy ny fanovana taratasim-panjakana fahafahana mitondra omby, ka raha “1” ny isan’ny omby dia novaina ho “21”, ary naparitaka amin’ny tambajotran-tserasera. “Contrôle de légalité” no ataon’ny ataon’ny Prefe, raha diso ny prefe dia esory, fa raha tsy diso dia aza vetavetaina, apetraho ny olon-kendry amin’ny toerana tokony ho izy, hoy hatrany izy. Momba ny fitondran-draharaham-panjakana, notsipihiny ny tokony hametrahana olona tena mahafehy ilay asa, fa tsy hoentina kihavanavana sy kinamanamana. Mba inona no ilàna miaramila hatao governora? F’angaha i Bongolava tany miady? Mba nianatra fitantanana ny lafin-tany ve ilay miaramila? Tsy vitan’ny mokon-doha sy basy ny fitantanana Fanjakana, hoy hatrany ny Filohan’ny SYNAD. Nanamarika moa izy fa tsy tokony « governora» no eo fa « Lehiben’ny faritra », tokony hofidiana fa tsy tendrena. Marihina tokoa fa ny andininy faha-154 amin’ny lalàmpanorenana no mamaritra fa fidiana ny Lehiben’ny faritra. « Na ny famoaham-bolan’ny governorat io aza fandikan-dalàna satria ny volam-panjakana rehefa havoaka ao anaty vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana dia tokony hisy fandaniana ataon’ny filankevi-paritra, tahaka ny an’ny governemanta mandalo parlemantera, ny an’ny kaominina mandalo filankevitra monisipaly,… ». Hanao fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana ny fanamby nataonay, ho sahirana raha tsy diovina, tena fiarovana ny Filoha aza no ataonay, fa raha izahay ihany koa no mba handeha hanararaotra fahefana, hanondrana volamena 700 kg dia ahoana? hoy ity Filohan’ny SYNAD ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap