sy eroa efa mandeha amin’izao fotoana izao, hoy ny filohan’ny antoko politika Tsara Tahafina, Paraina Auguste. Rehefa manomboka, hoy izy, amin’izay ny fikaonandoham-pirenena dia efa mba misy zavatra hiaingàna. Ny fiarahamonim-pirenena koa any ambadika any efa miezaka manao ny anjarany. Io moa efa mandalo koa ny filankevitry ny olonkendry eo anivon’ny SADC. Mihetsiketsika ny rehetra fa izany tsy ilaozan’ny disadisa toy izay mitranga amin’ny hoe resaka fifanarahana politika. Misy ny mitady seza dia misy koa miaro mafy ny sezany. Misy ny mampitahotra hoe raha izao dia tsy hisy intsony ny famatsiam-bolan’ny banky iraisampirenena na koa hoe raha izahay no izao dia izao no hitranga. Na ny eny amin’ny antenimieram-pirenena io na ny anaty governemanta dia ahenoana tranga tahaka izany. Raha ny zava-nisy teny amin’ny HCC no jerena dia resaka filàna rivo-baovao no fahitàko azy. Tao amin’ny CENI moa moramora ilay izy. Ny filohan’ny CENI teo aloha ihany no ohatran’ny mba tonga saina hoe efa tsy izaho intsony angamba no mendrika hitondra ity raharaha ity fa efa mba misy fiovàna dia aleo mba jerena izay mampety azy. Manahirana ny toe-draharaha moa amin’ity resaka hoe mpisolo toerana na «intérim» satria tokony hisy fifidianana ao-rian’izany. Heverina angamba hoe tombana ho atao amin’ny governemanta ny nanomezana azy 60 andro. Miandry ny vokatra moa isika hatramin’izao. Somary sahirana isika amin’ilay sady tsy te hiala amin’ny lalàmpanorenana nefa te hanao tetezamita. Mila atao malaky ny fikaonandoham-pirenena. Nilaza ny filohan’ny fanavaozana vao nandray fahefàna hoe novambra na desambra no manomboka ny fikaonandoha. Izao isika janoary, tsy mbola mandeha ilay izy. Tsy azo ialàna ny tetezamita. Tsy maintsy misy zavatra alamina izao, izany hoe, tsy maintsy ravàna ny lalàmpanorenana. Tsy maintsy atao ny lalàna mifehy ny fifidianana. Tsy maintsy misy tondrozotra arahina. Miala amin’ny repoblika faha 4 mandeha amin’ny repoblika faha 5. Manao politika miaraka amin’ny rehetra na «tout azimut» isika fa tsy dia marina loatra ny hoe miantsinanana izany daholo ny diplaomasia izao. Afaka miaraka amintsika daholo izay manaja ny fiandrianam-pirenentsika na sinoa na rosianina na amerikanina na frantsay na arabo, hoy hatrany ity minisitry ny toekarena no sady masoivoho malagasy teo aloha ity.
J. Mirija