airtel

Politique

13-avril-2022

Politique

Paraina Auguste Tsy tokony ho kandida intsony Rajoelina

Sample post image

Nahitsy ary tsy nisalasala ny ambasadaoron i Madagasikara teo aloha Atoa Paraina Auguste nilaza fa fandemen tsaina ankitsirano izany

13-avril-2022

Tsy mitombina izany, izay ny vatony 2018 dia hiverina ve izy dia mbola izany ihany koa. Tsy tenenina fotsiny, fa tena hita io na aiza na aiza ny zava-misy, tsy hahazo vato eto Antananarivo, ary tsy hahazo any amin’ny faritra. Fanomanana ara-tsaina hoe: izahay mandresy”, hoy Atoa Paraina Auguste. Mampijabaka ny Filoham-pirenena. "Mamitaka ny filoha Andry Rajoelina izay mamporisika azy mbola hirotsaka. Tsy mitombina izany 53% mbola hifidy azy izany raha ny zava-misy amin'izao. Raha izaho izy tsy mirotsaka hofidiana intsony", hoy hatrany ity diplaomaty ary efa minisitra teo aloha ity. Tsy tokony hirotsaka hofidiana intsony i Andry Rajoelina amin’ny fifidianana manaraka noho ny tsy fahombiazany, ary raha mirotsaka dia tsy ho lany, raha halalinina ity fanehoan-kevitra ity. Momba ny fifidianana kosa, notsipihin’Atoa Paraina Auguste fa tsy mitombina ny isan’ny olona voasoratra ao anaty lisitra mitaha amin’ny isan’ny vahoaka Malagasy. Lojika ve hoe 27 tapitrisa dia 10 tapitrisa fotsiny mpifidy. 4 tapitrisa eo tsy tafiditra. Misy tetiikasa PRODIGY (Projet d’Appui à la Gouvernance digitale et aux réformes de l’état civil et des Identifiants) avy amin’ny banky iraisam-pirenena. Misy olona tsy manana karapanondrom-pirenena, izay tokony hamoraina ao anatin’io tetikasa io. Marihina, fa findramam-bola entina manatanteraka ny « digitalisation » na ny fampidirana ny olom-pirenena tsirairay anaty « base de données » mikasika ny sata sivily io, ary misy findramam-bola hatrany amin’ny 140 000 000 dolara. Izany dia ho ampiasaina amin’ny fikirakirana ny kopia, kara-panondro, fisotroan-dronono, fifidianana.
Toky R
 

 

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap