airtel

Politique

07-déc-2021

Politique

Parlemantera TIM “Mila fantatra ny tompon’andraikitra nanodinkodim-bola”

Sample post image

Misy tsy araka ny tokony ho izy ny asan’ny mpanatanteraka eto Madagasikara, hoy ny filohan’ny parlemantera Tiako I Madagasikara na TIM, ny depiote Fetra Ralambozafimbololona.

07-déc-2021

 Iray ao anatiny, hoy izy, ny fitakiana nataon’ny solontenan’ny banky iraisampirenena teto amintsika. Mampametra-panontaniana ny toy ireny satria mampiharihary ny fanodinkodinana ny volam-bahoaka na nindramina io na tao anaty kitapom-bolam-panjakana. Nahoana no ny vahiny na mpamatsy vola avy any ivelany no mahita mialoha ny tsy tomombana ao anatin’ny famatsiam-bola na tetikasa teto amintsika dia ny PAGOSE izany? Miahiahy sy mino izahay fa misy fanodinkodinana amin’ny lafiny maro ao anatin’ny fitantanana izany volam-panjakana izany. Misy tompon’andraikitra isan-tsokajiny anatin’ny PAGOSE. MaToa nandefa taratasy miantefa amin’ny praiminisitra izahay dia tianay hivoaka hoe iza tamin’ny tomponandraikitr’ireo tetikasa ireo no tompon’antoka tamina fanodinkodinana vola. Ilay izy tsy entana tsy hita ihany na fitaovana sy vola fa ao koa ilay antsoin-drizareo hoe tany amin’ny lalana tsy tokony nalehany. Raha tokony nanamboarana kifafa, ohatra, dia nanamboarana angady, izany hoe, tsy najaina ilay fifanarahana. Mila hajaina io fa tsy adala ny mpamatsy vola ka hanipy ny volany eny am-baravaran-kely. Mila mivoaka ny tomponandraikitra. Inona no fepetra efa noraisin’ny praiminisitra manoloana ireny taratasy nalefanay taorian’ny zava-nitranga ireny. Efa nisy fanadihadiana natomboka ve? Efa nanetsika ny fitsarana miady amin’ny kolikoly na PAC ve? Tsy io irery fa na ny any anivon’ny fampianarana sy minisitera isan-tsokajiny. Nolazaina fa naverina ilay vola ny 3 desambra teo. Vola avy aiza? Nanjavona izany ilay izy, naodinkodina. Ny vahoaka no nandoa azy. Vola tokony nandeha lalan-kafa no nalefa any nefa ny tetikasa ataon’izany JIRAMA izany sy ny famatsian-drano amin’izao fotoana izao tsy araka ny tokony izy. Maninona no tsy maka ohatra tsara toy ny filoha Ravalomanana tamin’ny 2008? Vonona nanome famatsiam-bola 47 tapitrisa Euro ny banky eoropeanina ka ny atsasany 23,5 tapitrisa tokony fanomezana ary ny atsasany indramina. Tokony nanavaozana an’Antananarivo amin’ny lafiny rehetra hatramin’ny foto-drafitrasa ahafahana mamatsy rano izany saingy tonga ny fanonganam-panjakana 2009 dia nihemotra ny mpamatsy. Maninona raha mba nijery ny 10 sy 15 taona ho avy ? Izao isika tsy misy afa-tsy vahaolana “Tip top” sy mamono afo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny parlemantera TIM, Fetra Ralambozafimbololona
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap