airtel

Politique

12-juil-2022

Politique

Parlemantera TIM “Tsy mety intsony ny fitantanan’i Andry Rajoelina”

Sample post image

Efa fiantraikan-javatra maro ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny, hoy ny avy eo anivon’ny parlemantera Tiako I Madagasikara. T

12-juil-2022

any am-boalohan’ny fotoana nitantanan’andriamatoa Andry Rajoelina, hoy ny filohan’izy ireo, Fetra Ralambozafimbololona, satria misy zavatra mifandray be dia be ny resaka toekarena. Misy ny resaka orinasa, ny fananganana orinasa, ny famantsiana mivantana avy any ivelany na IDE ireny dia nafahana namorona asa. Nisy ny mpampiasa vola tonga teto amintsika dia nisy izany ny mety ho fitombon’ny vokatra sy ny famoronana asa na ho an’ny tanora na ho an’ny daholobe. Tokony nampiakatra ny toekarena izany rehetra izany. Tsy nisy izany rehetra izany fa zara raha nisy mpampiasa vola anankiroa tonga teto hatramin’ny nahatongavan’andriamatoa Andry Rajoelina teo amin’ny fitondrana. Tonga tampoka ny adin’i Okrainina sy ny tsy ampoizina Covid 19. Tsy ahilika amina zavatra toy ireny fotsiny ny fitantanana. Tany aloha tany no efa tokony notsinjaraina, noeritreretina izay hoe fiantsoana mpampiasa vola fa tsy hoe androany aho no hanangana orinasa iray isaky ny distrika iray am-bava fotsiny. Anatin’ny olana daholo izany ary iray ao anatin’ny nampanantenain’ingahirainy izay. Tsy nisy mihitsy ilay hoe “ny fitantanana dia fijerena lavitra izay” toy ny hoe fifampiresahana sy fiantsoana mpampiasa vola sy ny fitantanana mangarahara. Raha nangarahara ny fitantanana ny vola tamin’ny Covid 19 dia tsy nanao ireny tatitra ireny ny sampana mpanara-maso na “cour des comptes” hoe ny 80% tsy misy mazava hoe nankaiza no nalehan’ilay vola? Niakatra 40% izany izao ny vidin-tsolika. Mody nakarina kely 5, 13, 25% ny karama nefa efa 2 taona izay tsy nisy fiakarana. Fanomanana ny saim-bahoaka ve ny filazana hoe mety hiakatra 9000 Ariary io fa jereonareo fa mahay ny fitondrana matoa ilay izy 4900 Ariary sy 5900 Ariary sisa izao taorian’ny fifampiresahana no vidiny alohan’ny mpanjifa. Tsy fahaiza-mitantana izany ary efa tsy mety intsony mihitsy ny fitantanan’andriamatoa Andry Rajoelina ary eo no mahatonga anay miteny hoe ataovy ilay fikaonan-doham-pirenena, hoy hatrany ny parlemantera TIM.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap