filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko. Tato anatin’ny 50 taona mantsy raha kely hoy izy dia saika fitkaka sy lainga hatrany no nafafin’izy ireo ho an’ny vahoaka ka lasa tsy mahatoky intsony ireto farany. Fifonana no tokony hatao noho izany hoy izy amin’izao fotoanan’ny fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana solombavambahoaka izao ary izay zavatra tena ho vita sy azo tanterahina no tenenina sy hampanantenaina ny vahoaka fa tsy hanaovana resabe fotsiny izy ireny mba hahazoana ny vatony. Ny fahamarinana sy ny fahitsiana ihany no mampandroso ny firenena hoy hatrany izy. Nomarihiny manokana moa fa tsy hain’ny mpanao politika eto amintsika ny mifona na dia diso aza izy ireny. Tena zava-dehibe anefa ny fanaovana izany indrindra fa tiana ny hahazo tso-drano amin’Andriamanitra. Ho an’ny Pastera Heritiana manokana moa dia afaka mandray ireo mpanao politika mangata-bavaka aminy izy, tsy hanavahany na iza na iza no sady afaka manome tso-drano ihany koa. Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala, misokatra amin’ny rehetra !
Miitatra ny lonilony ara-pifidianana, tsy mijanona intsony amin’ireo heverina fa hery mpifanandrina fantatra
Notanterahina omaly alakamisy 13 febroary 2025 teny amin’ny Antenimierampirenena ny fihaonana
Ny zava-miseho rehetra ankehitriny dia vokatry ny fifidianana, hoy ny antoko politika Teza.
Namana enina (6) mpiaro ny tanin’ny mponina voatazona atao andrimaso (garde a vue)