airtel

Politique

20-janv-2021

Politique

Patrick Raharimanana « Diniho ihany sao mitanila loatra… »

Sample post image

Filoham-pirenena, avy Antananarivo, filohan'ny HCC, avy Antananarivo, filohan'ny loholona, avy Antananarivo.

20-janv-2021

 

 

Filohan'ny antenimieram-pirenena, avy Ambatofinandrahana, Ambositra, Fianarantsoa. Praiminisitra, avy Antsiranana. Mba diniho ihany fa sao lahy mitanila loatra, hoy ny mpanao politika sady mpamakafaka, Patrick Raharimanana! Tsy resahako ny « hauts emplois », DG, SG, ny mpitsara rehetra izay azoko antoka ny 80% fa avy Antananarivo. Ny minisitra, Antananarivo no ankamaroany. Ny mpilaza vaovao TVM, Antananarivo. Ny mpandoa hetra, 80% avy amin'ny Faritany hafa ankoatran'Antananarivo. Lazaina fa mandrangitra adim-poko nefa dia zava-misy no ambara. Fomba fiady efa tsy mahomby ny fampitahorana adim-poko izany. Eto tsy misy miady foko izany na misy miandry omena seza. Ampy kosa ny fitanilana! Aleo ho an'ny faritra ny harenan'ny faritra dia samy mampandroso ny azy. Tendreo aminareo any izay tianareo tendrena fa tsy misy malahelo an'izany rehefa mandroso ny faritra tsirairay. Tetibola 90%, Antananarivo mitantana azy, 10% faritany. Lalana “pavé” 10km ve no omena ny governora nefa volamena amin'ny taonina avy any amin'ny faritra no ahondrana any ivelany, na mba sekoly iray tsy miverina aminy? Soa ihany fa ny filohan'ny HCC avy ao Antananarivo no niteny hoe tsy "Antananarivo ihany no Madagasikara"! Rariny raha miakatra Antananarivo ny Malagasy kere any atsimo. Hisaorako ireo mponin'Antananarivo mahatsapa sy manohitra izany fiangarana izany, satria tsy ny mponin'Antananarivo ihany koa no migoka izany harena izany. Antananarivo aza mahantra lavitra noho ny faritra ihany koa fa olom-bitsy manampahefana avy Antananarivo sy avy amin'ny faritra no manao ny olona ho bado, hoy hatrany ity mpanao politika sy mpamakafaka raharaham-pirenena ity.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap