airtel

Politique

08-mars-2021

Politique

Patrick Raharimanana “Ny mpitondra ihany no miezaka mandrehitra afo”

Sample post image

Raha mahita ity fomba hitantanan'ny fitondrana ankehitriny ny vali-bontana sy fandrirarirana ny mpanohitra eto Antananarivo

08-mars-2021

 

 

 ity dia mampanontany tena raha manana mpandinika raharaham-pirenena matotra ny fitondrana ankehitriny, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Patrick Raharimanana. Hifaninanany amin'ingahy Marc Ravalomanana indray ny famoriam-bahoaka eto Antananarivo. Efa tapitra anefa ny fampielezan-kevitra ary ny filazana fa tsy mahavory vahoaka eto Antananarivo ny mpanohitra na hoe sandaina vola ireo olona manaradia ny mpanohitra dia fahadisoan-kevitra goavana izany. Ny vokam-pifidianana teto amin'ny faritanin'Antananarivo dia milaza mazava fa tsy nahazo ny antsasaky ny vato azon'ingahy Marc Ravalomanana ny kandida Andry Rajoelina. Teto Antananarivo 1 077 520 na 64.31% no vato azon'i Marc Ravalomanana, raha 597 924 na 35.69%, no azon'i Andry Rajoelina. Ary rehefa lany filoham-pirenena, sy nandalo ireo krizy Covid-19 sy krizy sosialy maro, dia azo antoka fa nihena ihany koa izay taham-pankasitrahana eto Antananarivo izay. Ny teto Antananarivo ihany koa no ambony ny tahan'ireo olona tsy tonga nifidy, izany hoe tsy mpoba ny Filoha lany ihany koa no dikan'izay satria 48.66% izy ireo. Ny renivohim-pirenena maneran-tany, ary tsy miavaka amin'izany i Madagasikara, dia manohitra ny mpitondra hatrany, satria manana ireo karazan-tserasera sy vaovao maro, ary mahita sy manaraka akaiky ny fiainam-pirenena. Ny tantaran'i Madagasikara hatreto dia Antananarivo no afaka mandrava fanjakana. Izay no mahatonga ny fitondrana mifandimby manambitamby hatrany ary manao zavatra maro ao Antananarivo. Tantaran'ny firenena teto ihany koa, izay ben'ny tanànan'Antananarivo no lasa Filoham-pirenena hatrany. Fehezin'izy ireo tsy hiova amin'izay ny fitantanan-draharaha ka dia gejaina eto Antananarivo hatrany ny fahefana sy ny vola rehetra. Ny mpitondra fanjakana no manana tombotsoa sy seza harovana nefa izy indray no miezaka mandrehitra afo amin'ny famaliana bontana ny mpanohitra izay maro an'isa eto Antananarivo. Ka tsy ahagaga, raha mbola izay ny fomba hitantanana an'ity raharaha politika eto Antananarivo ity, dia hilentika anaty onaona ao ny mpitondra ankehitriny ka ny voka-dratsin'izay dia ny vahoaka Malagasy sy ny firenena iray manontolo no ahiana hijoboka anaty krizy mbola ho vesaran'ny krizy ara-pahasalamana izay vao miakatra indray ny taham-pamindràny ka i Antananarivo hatrany no mitondra korontana sy tsy filaminana eto amin'ny Firenena. Fifanatonana miresaka ihany no vahaolana. Ny mpitondra avy eo manao ny asany am-pilaminana. Ny mpanohitra manao ny azy fa tsy hiady seza hiaraka hitantanana akory. Raha avonavona sy fanaratsiana ny mpanohitra no hiazakazahan'ny mpitondra dia tsy aharitra ela fa izy ihany no manapaka ny tongo-tseza hipetrahany. Ireo mpomba azy rahateo, maro koa no tsy faly ao anatiny, ny aty ivelany rahateo efa tsy mankatoa ny ataony. Tonga izany ny fotoana ametrahana marina ny fahefan'ny faritra rehetra fa tsy hiankina amin'Antananarivo hatrany i Madagasikara, hoy hatrany I Patrick Raharimanana.

J. Mirija

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap