airtel

Politique

02-sept-2021

Politique

Paul Rabary “Fa iza moa isika no hiady amin’ny Frantsay ?”

Sample post image

Fahadisoana ho an’ny mpitondra amin’izao ny fiheverena fa tsy mahalala na inona na inona ny zava-misy aty Madagasikara ny any ivelany,

02-sept-2021

hoy ny minisitry ny fanabeazana eo aloha sady mpahay fiarahamonina Paul Rabary omaly. Nisy moa ny dian’ny Filoha tany Frantsa sy ny tatitry ny fampahalalam-baovao vahiny niteraka adihevitra. Nahitsy izy raha naneho hevitra tao amin’ny fahitalavitra Real TV fa tsy hoe eto Madagasikara isika mifanao kabary na fandalinana, dia mieritreritra hoe amin’ny teny Malagasy dia tsy hisy hahalala ny any ampitan-dranomasina. Aza mieritreritra ihany koa hoe rehefa any ampitan-dranomasina, rehefa miresaka amin’ny olona any, dia tsy hisy hahalala aty Madagasikara ny zavatra resahina satria anatin’ny fiarahamonin’ny fampitam-baovao sy serasera isika izao, ka tsy misy azo hafenina na ny avy aty amintsika na ny avy any amin-dry zareo, hoy Paul Rabary. Aleo, hoy izy, miresaka sy mifampidinika am-pahendrena fa tsy manao vava be, tsy mieritreritra hoe mifanao vava eto isika dia isika samy isika, fa tsy ho re any ampitan-dranmasina. Lasa apetraky ny olona amin’ny toerany rehefa tsy mahalala ny toerany. Ny olona tsy misangy, isika no afaka misangisangy eto, fa rehefa tombotsoa ara-toakerana tsy misangy ny olona.
“AZA MAMITA-TENA SY MAMITA-BAHOAKA”
Raha hoe handeha hifanehatra amin’ny Frantsay dia fa iza moa isika? Isika izay mbola minono amin’ny reny malala, mbola mangataka fanampiana aminy, mbola miankina amin’ny Vondrona Eoropeanina izay andry lehibe ao anatiny ny Frantsay. Ny teny ampiasaintsika aza teny Frantsay, ny rafitra misy eto Madagasikara napetraky ny Frantsay, ny mpitantana nianatra tamin’ny rafitra Frantsay ary izaho anisany satria rafitra Frantsay no nandrafetana ny rafitra teto Madagasikara. Rehefa amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena mila malina. Mila mieritreritra tsara hoe mahay mijery hoe: aiza ny tanjoko ary aiza ny fahalemeko, fa ny an’i Madagasikara dia mbola tsy manana tanjaka fa fahalemena daholo ny ankamaroany : firenena mahantra, firenena tsy mahafehy ny harenany, maro an’isa ny tsy nandia fianarana, sahirana, miankin-doha, bokan-trosa,… ka hifanehitra amin’ny Frantsay. Misy milaza hoe izahay hitaky ny îles Eparses dia ho azo. Aza mampanofy Malagasy, dia aza manofy, ny antsika eto aza tsy voafehintsika, dia mieritreritra ianao hoe handeha hifehy ny îles Eparses, izay efa nataon’ny Frantsay tahiry ara-boajanahary? Ny volamena mivoaka teto, ny safira, ny boaderozy aza tsy voafehintsika akory. Ny eny am-bilia tsy lany, ka ny any am-bilany takarina! Firenena isan’ireo 5 eto ambonin’ny tany izay nandresy tamin’ny ady lehibe faharoa ny Frantsay, ary mpikambana ao anatin’ny Filankevi-pilaminan’ny Firenena Mikambana. Manana ny zo tsy azo hivalozana na “droit de veto” ary rehefa mamoaka izany ny Frantsay dia mangina izao tontolo izao, ohatran’ny fanaon’ny Amerikanina, Sinoa, Rosianina,… Isika izay tsipindy dia mampangina antsika, izay manaporofo sy manana “capacité” na kely ohatran’ny sila-koho hitaky ny îles Eparses isika, ka rehefa tsy vita toa izay izy dia tsy vita izay dia aza manantena na inona na inona fa mamita-tena sady mamita-bahoaka, hoy hatrany i Paul Rabary, tena tsy nitsitsy fitenenana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap