Efa averiko ombieny ombieny, hoy izy, fa sady tsy mpitondra aho no tsy mpanohitra fa mpanao famakafakana. Matoa aho nilatsaka hifaninana tamin’ny mpitondra tamin’izany fotoana dia tsy hiaraka amin’ny mpitondra aho aloha izay. Tsy afaka ny hanohitra koa aho satria tsy misy antony tokony hanoherako ny fitondrana. Izaho mpiasam-panjakana. Lehibeko daholo izay mpitondra tonga rehetra eo. Afangaron’ny mpanao politika ny asana mpamakafaka sy asana mpanao politika. Teren’ny mpanao politika izany ny olona na hanohitra na hitondra. Olany izany fa tsy ahy. Mamakafaka no asako. Mampianatra amin’ny maha mpampianatra sosiolojia politika ahy. Tsy olako na iza na iza governemanta eo satria tsy hiditra anaty governemanta aho. Ahoana aho no terenao tsy maintsy hanohitra na hanohana? Mikasika ny fahafahan’ny fitondrana ankehitriny na tsy fahafahany mitondra vahaolana maharitra eto amin’ny firenena dia tsy hitako aloha hoe ananany izay sa tsia satria mbola tsy vita ny fotoam-piasany. Hatreto aloha dia miara-mahita isika fa mamono afo no tena ataon’ny mpitondra. Anjarany no mihetsika hoe mbola hamono afo foana ve sa hitondra zava-baovao ho an’ny firenena? Ny vahoaka no hitsara izay amin’ny fifidianana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Manahiran-tsaina tanteraka sy tena mampanofy ratsy ny Fanjakana ankehitriny Atoa Marc Ravalomanana, izay atahorana mafy ara-politika. Arakaraka ny hihetraketrahana azy no toa vao mainka mampahazo vahana azy.
Mangingina tsy re feo firy indray ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta Ntsay Christian. Tsy dia hita tabilao firy, ary efa matetika io.
Nivoaka omaly ny gazety boky Demokrasia laharana faha 13 izay famoakan’ny filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy tany tan-dalana na HCDDED isan-telo volana.
Isany voaresaka ato amin’ny laharana faha 13 amin’ny gazety boky Demokrasia izay navoakanay, hoy ny filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalana na HCDDED tetsy amin’ny biraon’izy ireo
Mampahatsiahy ny 20 taona dia ny 2002 izay fotoana nampamaivay ny raharaham-pirenena teto amin’ny tany sy ny fanjakana ankehitriny, hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana Tambohobe,
Herintaona sy tapany sisa hananan’ny Fitondrana Rajoelina hanatanterahany ny veliranony, hanentsenana ny lavaky ny tsy fahaiza-mitantana. Ho sarotra izany, raha tarafina amin’ny fomba fiasa hatramin’izay.