airtel

Politique

11-mars-2021

Politique

Paul Rabary “Tsy afaka mitondra tsy misy mpanohitra ny mpitondra”

Sample post image

Efa mianatra sy miezaka ny ho tafiditra ary manatsara ny demokrasia isika, raha adika tsotra ny fihetsiketsehana

11-mars-2021

 

 

 

nitranga tato anatin’ny herinandro, hoy ny mpahay fiarahamonina, Paul Rabary. Adihevitra mafana hanekena ny tsy fitovian’ny olona miady hevitra tsinona no atao hoe demokrasia. Tsy mitovy fomba fisainana sy fijery mikasika ny raharaham-pirenena. Manaiky izany ny demokrasia. Nanomboka tany amin’ny hetsiky ny Miara-manonja toherin’ny Tambatra ka hatramin’ny fitokanan’ny filoham-pirenena, Kianja fampiadiana akoho io, raha ny fanazavany. Anjaran’ny fanjakana ny mitandro ny filaminana. Samy nandray lesona ny mpitondra sy mpanohitra. Tsy afaka mitondra irery ny firenena tsy misy mpanohitra ny mpitondra satria fifidianana no niakaran’ny mpitondra teo ary izy no lanim-bahoaka fa misy ny tsy lany. Ny tsy lany dia mijoro ho mpanohitra sy mpitsikera. Tsy tokony heritreretina izany hoe hanongam-panjakana. Anjaran’ny mpitondra no mitandro ny filaminana satria tsy misy azo omena tsiny ankoatra azy raha misy korontana eto amin’ny tany sy ny firenena, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap