airtel

Politique

06-déc-2022

Politique

Paul Rabary “Tsy azo itarina ny fotoana politika fa 5 taona ihany”

Sample post image

Ny fotoana politika na “temps politique” dia voafetra anaty 5 taona fa ny fotoanan’ny asa dia mihoatra ny 5 taona, hoy ny mpahaifiarahamonina politika, Paul Rabary.

06-déc-2022

Taorian’ny fe-potoan’ny filoha Rajaonarimampianina daholo no nahavitan’ny asany rehetra, hoy izy. Ohatra amin’izany izao ny “rocade” sy ny seranam-piaramanidina. Betsaka saingy taorian’ny fe-potoam-piasany vao vita. Izay no hitarihako ny sain’ny olona hoe tsy fantatry ny olona tsara indraindray ny atao hoe “temporalité en terme politique” sy ny “temporalité en terme de l’action”. Lasa ohatry ny hoe tsy mahavita zavatra ilay fitondrana nefa mihoatran’ny fe-potoam-piasany ny fanatanterahana ilay asa. Ny “rocade”, raha tsy diso aho, manodidina ny 20 km eo. Hitanareo fa orinasa eoropeanina no nanao azy. Ny vondrona eoropeanina no namatsy. 4 taona teo no nanaovana azy. 3 taona raha ohatra ka hoe tena nanombohan’ny asa fa 4 taona raha niaraka tamin’ny fifandresen-dahatra. Mihoatra lavitra ny fe-potoam-piasana izany satria taty amin’ny faraparan’ny fe-potoam-piasana taty vao tena nanomboka ny asa dia ny dikan’izay izany mihoatra ilay izy. Tsy midika fahavitana asa ny fametrahana vato fototra. Amiko tokony rarana eto Madagasikara ny fametrahana vato fototra fa manjary serasera politika no betsaka. Ny lalambe migodana na “autoroute” izay hataontsika dia anatin’ny praograman’ny filoha Rajaonarimampianina saingy tsy tanteraka sady tsy nanomboka noho ny antony maro samihafa. Tara izy tamin’ny fanatanterahana azy. Mila fanadihadiana lalina ny “autoroute”. Mila fanataterahana maharitra koa. Tsy mino aho fa ho vita anatin’ny heritaona ny “autoroute”. Tsy afaka miteny aho hoe manana politika mazava na tsia ity fitondrana ity. Tsy afaka miteny koa aho hoe tsy ho vita ny asa raha mbola miasa izy. Tsy azo itarina ny fotoana politika fa 5 taona ihany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap