airtel

Politique

08-sept-2021

Politique

Paul Rabary “Tsy misy fanonganam-panjakana atahorana eto”

Sample post image

Eto Madagasikara tsy misy atahorana fanonganam-panjakana na mety misy manana eritreritra an’izay aza, hoy ny Mpahay fiarahamonina sady minisitra teo aloha Atoa Paul Rabary omaly tao amin’ny fahitalavitra Real TV.

08-sept-2021


 Nambarany fa efa nahazo lesona tamin’ny 2009 toy ny tsy fahazoana famatsiam-bola, tsy fahazoana fankatoavana iraisam-pirenena,… isika. “Tsy hitako izay atahorana, fa izay mieritreritra hanao fanonganana eo dia tsy hahazo fankatoavana, tsy hahazo famatsiam-bola, ka amin’izao fahasahiranana izao ve no hidi-kizo hanongam-panjakana kanefa tsy misy vola. Naman’ny midi-kizo izay manao izany”, hoy izy. Nilaza kosa izy, fa mampikorontana ny firenena ny fiziriziriana eo amin’ny fitondrana sy ny fifidianana tsy azo itokisana. Efa niseho izany ny taona 1991, 2009,... raha ny fanehoan-keviny. Ny Apollo 21 hafa mihitsy, mety nanana eritreritra ilay olona saingy tsy za-draharaha na “amateurs” lehibe ilay olona. Hanongam-panjakana ve ianao dia handefa “mail”, hoy ity mpahay fiarahamonina ity. Efa nahazo lesona tamin’ny tantara ny Malagasy, ary toa aleony aza manaiky lembenana eo anatrehan’ny tsy fahaiza-mitantana miteraka fahantrana lalina rehefa dinihina ny zava-misy. Hararaotina amin’izay toetra lasa voavoly ao anatiny noho ny zava-nisy sy ny tantara izay ve anefa ny vahoaka?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap