Fanontaniana mipetraka io ankehitriny eo anatrehan’ny tsy fahitana firy an’ity PDS ity, izay notendrena ny fiandohan’ny volana martsa lasa teo, rehefa voatendry Minisitra ny ben’ny Naina Andriantsitohaina. Misy ny feo samihafa mivoaka mikasika azy izay mifamahofaho, saingy tsy mbola misy aloha ny fandisoana na fanamarinana ofisialy momba ny tsy fahitana azy. Ny mpanolontsain’ny tanàna Rtoa Lalatiana Ravololomanana, ohatra, dia nilaza ny alatsinainy teo raha ny heno tamin’ny haino aman-jery, fa tsy fantatra mazava ny tsy maha hita popoka azy. « Napetraka ny PDS rehefa lasa minisitra ny ben’ny tanàna satria tapitra ny fe-potoana iasanay. Efa amam-bolana no tsy dia tazana ny PDS, siosion-dresaka no re fa tsy misy fampahafantarana ny tsy maha eo azy. Tsy ny sekretera jeneraly izany no tokony handidy sy hanapaka fa ny PDS lefitra », hoy Rtoa Lalatiana Ravololomanana, nandritra ny fanokafana ny fivorian’ny mpanolontsaina monisipaly ny alatsinainy teo. Mifamahofaho tanteraka ny resaka nanomboka omaly, toy ny feo niely fa hoe : nametra-pialana Atoa Ramanambitana Richard. Tsy mbola voamarina ny fisian’io hatramin’ny nanoratanay, izany hoe : tsy ofisialy aloha io hatreto. Ny fantatra dia misy ireo sosotra amin’ity PDS ity noho ny fanapahan-keviny sasany izay voalaza fa manohintohina ny tombotsoan’ny hafa. Ny volana aprily lasa teo ohatra, dia nisy ny fitoriana nataon-dRtoa Lalatiana Ravololomanana teny amin’ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana manohitra ny naoty navoakan’ny PDS ny 27 martsa 2024 nanaisotra ny fitakiam-bolan’ny Kaominina teo an-tànan’ny SMGD (Société Municipale de Gestion Digitale) ka namerina izany hiantsorohan’ny Kaominina Antananarivo madiodio. Io fifanarahana io izay nampiahiahy momba ny fitsinjarana ny vola, izay ny 60% eo ho eo ihany no an’ny kaominina, fa ny ambiny makany amin’ilay orinasa. Ampahany mety nampitombo ny fahavalo politikan’ity PDS ity izany satria betsaka ny voalaza fa fanapahan-kevitra manohintohina ny tombotsoan’ny matretre hafa. Nisy ihany koa ny feo niely fa nisy nanampoizina ity PDS ity ka nandeha nitsabo tena tany ivelany (EVASAN) ka antony ara-pahasalamana no tsy ahitana azy firy ? Ny resaka fanapoizinana noho ny lafiny ara-politika izay toa zary lasa tsy vaovao intsony amin’izao satria maromaro ireo olona ambony fantatra fa niharan’izany ka sao sanatria tratran’izay tokoa ny PDS ? Sa kosa mamita iraka any ivelany na eto ihany fa mangingina? Andrasana ny fanamarinana na fandisoana an’ireny resaka mifamahofaho satria tena mbola tsy nisy nipika aloha izay nakana vaovao. Ao anatin’ny vanim-potoana mialohan’ny fifidianana no mitranga io toe-javatra hafahafa io, ka mandeha ny tombana samihafa toy ny hoe : misy ambadika politika. Mandeha ve ny fifamelezana ao anatin’ny fitondrana eo anatrehan’ny mety hitondrana ny loko volomboasary amin’ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo izay stratejika be amin’ny politika ?
Toky R
Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.
Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny
Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana
Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny
An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,
Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo