airtel

Politique

22-févr-2021

Politique

Pety Rakotoniaina “Raharahan’olon-droa no mibahan-toerana eto”

Sample post image

Tsy vahaolana ny firosoana amin'ny fifamonoana, tsy vahaolana ny fiziriziriana fahatany na amin'ny andaniny na amin'ny akilany

22-févr-2021

 

 

 fa ny firosoana amin'ny fifampidinihana andinihana ny aretina fototra ary hamahana izany no tombotsoa ambony ny Firenena, hoy i Pety Rakotoniaina tao amina fahitalavitra iray ny faran’ny herinandro teo. Vonona amin'izany ny Antoko MFM ary efa manana ny hevitra hampanjariana izany. Tsy sasatra ny mamerina hoe mila sata ifanarahan'ny Malagasy ny Firenena izay anisan'ny mampisy sy mampiverimberina krizy ny sata nisy hatrizay satria hala-tahaka sy terem-bazaha. Tsy sasatra ny mamerina hoe tsy ilaina ny fivangongoam-pahefana, fa mampiady fa tokony haparitaka amin’ny Faritany, Faritra, Kaominina, Fokontany. Tsy sasatra ny mamerina hoe Lalàm-pifidianana ifanarahan'ny Malagasy. Sata ifanarahan'ny Malagasy ny itantanana ny harem-pirenena satria io ihany no antoka hisian'ny fandrosoana. Mitady hibahan-toerana ho raharahan'olon-droa no hita amin'ny politika ankehitriny fa tsy raharahan'ny Malagasy rehetra, hoy i Pety Rakotoniaina.

TSY EKENA NY FAMONOANA MPIANATRA

 Atao avokoa izay tsy hianaran'ny ankizy, nahoana no miandry fitakiana izay vao tonga saina ny tompon'andraikitra. Zavatra tsy tokony hiseho ireny tany Toamasina ireny, na inona na inona fanazavana entina tsy ekena ny famonoana mpianatra. Matoa miteny ny olona dia misy tsy mety izany ny fomba fitantanana ilay firenenaka, misy noho izany ny zavatra tokony ovaina. Akehitriny nidina ho 92% ny farim-piainan'ny Malagasy izany hoe vao maika miha mahatra hatrany. Eto Madagasikara dia tsy misy ny tamberin'andraikitra ary dia olon-tokana no lasa mifehy izany. Ny mampalahelo dia ireo "acteur de développement" dia tsy misy manisy lanjany kanefa izany no tena fototry ny fampandrosoana.

Toky R

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap