Nisolo tena ny Fitondram-panjakana nandritra ny Fitondrana am-bavaka ny Filohan'ny FJKM mianakavy sy fanombohana ny taom-piasana 2026 tetsy amin'ny Coliseum Antsonjombe ny Praiminisitra Lehiben'ny governemanta Herintsalama Rajaonarivelo omaly. Nandritra io no nilazany fa samy manana andraikitra lehibe amin'ny fitantanana ny fiarahamonina ny Fiangonana sy ny Fanjakana. Andraikitra mifameno satria ny Fiangonana no manome ny lalam-pinoana sy ny torolalana mendrika amin'ny maha kristianina. "Mifanampy amin'ny fiangonana ny Fitondram-panjakana satria mifameno ny fanahy sy ny aina ary ny vantana, andraikitry ny Fitondrana no mametraka ny laminasa sy ny paikady rehetra mba hisian'ny fivoarana ara-toekarena, ary rehefa mandroso ny toekarena dia mandroso ny sosialy izay iandraketan'ny fiangonana", hoy ny Praiminisitra. Ny FJKM izay vao avy nanao asa sosialy ary nanome tanana ny Fanjakana. Hitohy izany fa vao santatra ambavarano iny, raha ny nambaran'ny Praiminisitra hatrany. Misy ihany koa ny fifanomezan-tanana amin'ny toekarena satria ny Fiangonana misokatra amin'ny fampandrosoana ara-toekarena araka ny lalan-tsaina nentin'i Jean Calvin. Manana talenta sy manam-pahaizana ny Fiangonana ny FJKM, ka ny maodely ara-toekarena vaovao entin'ny Fanjakana dia miala amin'ny fomba fiasa hoe ireo orinasa lehibe no notohanana, ireo no mamorona ny asa, ireo no mandoa hetra rehefa te handoa,... Nanamafy ny Praiminisitra fa amin'izao dia misy ny fanavaozana, fomba fijery vaovao hanjakan'ny rariny sy hintsiny eo amin'ny toekarena, ka andao ampiana ny zanaky ny Fiangonana hanangana orinasa fa tsy hangataka lava amin’ny « patron », fa ho « patron » an’ny tenany, mba ho feno orinasa madinika,... mbola anatin'ny foto-pisainana Calvin. Misy ilay tetikasa "Loharano aina" izay manahirana ny Fiangonana araka ny fangatahan'ny Filohan'ny FJKM ka nanampy ny Fanjakana. Narirarira teny ihany koa ny fahitalavitra Fahazavana, ka nanolo-tanana ny Fanjakana, efa mandeha izy izao. « Mifameno sy tokony ho mpiralahy mianala ny Fanjakana sy ny Fiangonana », hoy hatrany ny Lehiban’ny governemanta. Nomarihin'ny Praiminisitra teo am-pamaranana fa voafetra ny fotoana itantanana ka manaja ny lalana. Madio fo isika, rehefa nomen'ny HCC fa fotoana hoe 24volana no hiasana, dia miasa ka rehefa tapitra dia omena ny mpandimby amin'ny fo madio. Fototra no apetraka, fa miantso ny mpandimby hanohy ny fampiakarana ny trano be. "Tsy hisy fanavaozana eto amin'ny Firenena raha tsy ny tsirairay no misy fihavaozana, ka ovay ny toe-tsaina, manana fo madio", hoy ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo.
Toky R
Azon'ny PACsy ny Fitsarana tsotra sy enjehina Ramonjavelo sy Ravalomanana