airtel

Politique

20-avril-2022

Politique

PM Ntsay Christian Ombay mitady indray…

Sample post image

Nangina tsy re feo intsony indray ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Atoa Ntsay Christian tato ho ato. Tsy tena misy fampitam-baovao ofisialy momba ny asa na hetsika manokana ataony tato anatin’ny 20 andro.

20-avril-2022

Rah any pejim-baovaon’ny Primatiora, saika tatitry ny filankevitry ny minisitra sy ny filankevitry ny governemanta no hita ao anatin’ny pejim-baovaon’ny Primatiora nanomboka ny 01 aprily lasa teo. Tamin’io fotoana io no nisiana tatitra farany momba ny zavatra ataony, izay nandray ny Solontena vaovaon’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) teny amin’ny Lapan’I Mahazoarivo, ary ny 31 martsa izay nialohan’io no nanatrehany ny fisintahan’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana miasa sy monina eto Madagasikara, ka nandritra io no nanazavany ny politika ankampoben’ny Fanjakana. Nankaiza ny Praiminisitra no tsy hita popoka tao anatin’ny 20 andro fa toa mionona fotsiny amin’ny filankevitry ny minisitra sy ny filankevitry ny governemanta izany? hoy ny fanamarihana. Tsara ny manamarika fa izy no lehiben’ny fitatanan-draharaham-panjakana eto Madagasikara. Nangina sa nampanginina Atoa Ntsay Christian? Ity Praiminisitra ity izay adihevitra ny fitazonana azy teo amin’ny toerany nandritra ny fanovana governemanta farany teo. Na ireo olom-boafidy IRD tahaka ny depiote Brunelle Razafitsiandraofa dia nanakiana azy mivantana fa ny Praiminisitra no lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana kanefa dia toa mangina eo anatrehan’ny kolikoly tsy ifankahitana eto izay lombolombon’ny tamin’ny HVM raha ny nambaran’io depiote io. Etsy andaniny, voalaza fa atahorana mafy ny fanesorana azy satria ahiana ho kandida amin’ny 2023 vao hesorina ka isan’ny malaza fa mifandray akaiky aminy ny mpandraharaha goavana iray. Eo anatrehan’ny rafitra sy ny zava-misy, azo sokafana foana ny adihevitra hoe: tena ilaina ve ny toeran’ny Praiminisitra eto Madagasikara. Io izay matetika lasa loharanon’ny krizy indrindra fa tsy mazava ny maro an’isa ao amin’ny antenimieram-pirenena, fa eo ihany koa ny sary mety hiseho hoe: ahiana ho lasa mpifanandrina hatrany amin’ilay Filoha am-perinasa amin’ny fifidianana manaraka, tahaka ny nahazo an’Atoa Hery Rajaonarimampianinna.

Toky R
 

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap