airtel

Politique

31-août-2022

Politique

PM sy ny tariny tany Ikongo Dokotera aorian’ny fahafatesana

Sample post image

Nitarika delegasiona avy amin’ny fitondram-panjakana nitsidika any Ikongo ny Praiminisitra Ntsay Christian, rehefa tsy nandrenesam-peo nandritra ny 24 ora teo,

31-août-2022

taorian’ny toe-javatra niseho tany Ikongo ny marainan’ny alatsinainy 29 aogositra teo. Hanao fampihavanana hamerenana ny fitoniana no anton-diany. Niaradia taminy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny minisitry ny Fitsarana, ny minisitry ny Atitany, ny minisitry ny Mponina, ary ny Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena Nihaona tamin’ireo fianakaviana mana-manjo sy ireo olona naratra tamin’ny fifandonana Andriamatoa Praiminisitra, ka naneho ny fiaraha-miory sy nampahery ireo izay mbola manaraka fitsaboana, ary izany dia niarahany tamin’ireo tompon’andraiki-paritra notarihin’ny Governoran’ny Faritra Fitovinany sy ny Ampanjaka ary ny Olobe any an-toerana. Nanolotra fisaorana ho an’ny Vondron'ny Tafika misahana ny fiarovana sy ny fampandrian-tany ny Praiminisitra, ary nanambara fa hisy fanadihadiana hataon’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Foloalindahy, hahafantarana ny zava-nisy marina nahatonga an’izao loza izao. Efa fandre matetika izany hoe: misokatra sy mandeha ny fanadihadiana izany. Tsy misy resaka kosa ny momba ny mety ho fandraisana fepetra amin’ireo mpitandro filaminana namono olona maro be. Sarotra ny toerana nisy azy ireo, saingy hery tsy mitovy no nifandramatra, ary tsy ny zandary rahateo no nokendren’ny vahoaka hovonoina. Ny alatsinainy, nandeha ny antso vonjy maika amin’ny handefasana angidim-by ho famonjena ireo olona amin’ny alalan’ny EVASAN (Evacuation Sanitaire) na hitondra mpitsabo matihanina satria betsaka no loakan’ny bala tany amin’ny faritry ny tratra, saingy ny fandefasana andian-tafika na “bataillon militaire” no toa nanaovana serasera. Omaly vao hoe: tonga ny angidim-by nitondra fanafody, hanaovana EVASAN, nitondra ireo iraka handamina,… Tsara marihina anefa, fa ny marainan’ny alatsinainy no niseho ny loza. Heverina fa isan’ny nampiakatra be ny isan’ny maty ny fahataran’ny famonjena.


Ny somary tsikaritra amin’ity toe-draharaha ity ihany koa, dia ny tsy fahatazanana ny Depioten’Ikongo Atoa Brunelle Razafitsiandraofa izay marihina fa tsy tany an-toerana tamin’ny fotoana nisehoan’ny tranga fa Ambatondrazaka. Tsy fantatra mazava na mbola any am-pandehanana izy na efa an-dàlana ho any Ikongo, na efa any an-toerana. Ity farany izay Filoha lefitry ny antenimieram-pirenena avy amin’ny faritanin’ny Fianarantsoa fa tsy depiote tsotra akory. Tsy zakan’ny angidim-by ve izy ka tsy nentina kanefa fampihavanana no anton-dia any ?
Toky R 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap