airtel

Politique

27-juin-2022

Politique

PM teo aloha Solondrasana Tsy nampoizina ny fahitana azy teny Mahamasina

Sample post image

Raha toa ka banga ny toerana natokana ho an’ny antoko politika maro, dia nisy kosa ny olona tsy nampoizina tazana tetsy Mahamasina omaly,

27-juin-2022

fotoana nanamarihana ny tsingerin-taona faha-62 nahazoana ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Voaasa ary tonga nanatrika ny lanonana ara-panjakana sy ara-miaramila ireo Praiminisitra teo aloha maromaro izay saika tazana teny an-toerana avokoa: toa an’Atoa Charles Rabemananjara, Monja Roindefo, Kolo Roger, Mahafaly Solonandrasana Olivier,… Isan’ny tsy nampoizina ary nanaitra an’i maro ny fahitana an’Atoa Mahafaly Solonandrasana Olivier izay Praiminisitra tamin’ny andron’Atoa Hery Rajaonarimampianina. Ity farany, izay tsy re feo intsony taorian’ny fifidianana filoham-pirenena farany ny taona 2018, nialohavan’ny faharavan’ny governemantany ny volana may 2018 rehefa nisy tolon’ny depiote 73. Isan’ireo kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany, ary nanohana an’i Marc Ravalomanana tamin’ny fihodinana faharoa. Nohenjehin’izao fitondrana izao, ary nisy mihitsy ny famohazana ireo ambara fa dosie mahakasika azy. Nilamina ve ireny raharaha ireny? Somary sarotsarotra moa ny dingana arahina amin’ny fanenjehana olona nanana andraikitra ambony tahaka itony. Efa manana antoka fa tsy ho voakitikitika ve ny tenany matoa hita sy nipoitra indray? Mbola hisafidy ny hangina sa mety efa hipoitra eo amin’ny sehatry ny politika? Ankoatra ireo Praiminisitra teo aloha moa, dia isan’ny tazana teny Mahamasina ihany koa ny ireo Filohan’ny Antenimierandoholona sasany teo aloha, tahaka an-dry Rivo Rakotovao izay efa avy filoham-panjakana mpisolo toerana, Rajemison Rakotomaharo,… Sary politika isan’ny nanamarika ny andron’ny omaly ireo, izay endrika naneho fa an’ny Malagasy rehetra i Madagasikara sy ny fetin’ny fahaleovantena, ka nanakisahana ny loko sy fijery politika tsy mitovy ho an’io omaly io.
Legende: Solondrasana Mahafaly Olivier (sisiny avanana indrindra), praiminsitra tamin’ny fitondrana HVM
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Anio 16 aprily 2024 no hamoahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na

Card image cap
16-avril-2024

Isan’ireo antoko nanapa-kevitra handray anjara amin’ny fifidianana ny antoko politika Otrikafo

Card image cap
16-avril-2024

Mbola misy ny antsojay amin’ireo tsy ao anatin’ny antoko politika miaraka amin’ny fitondrana

Card image cap
16-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitetezana ireo kaominina mandrafitra ny distrikan’Avaradrano tanterahin’ireo Kandida Solombavambahoaka

Card image cap
15-avril-2024

Ny sabotsy 13 aprily teo tetsy amin’ny Espace Fenitra Merimanjaka no nitondrana am-bavaka sy nanolorana ofisialy

Card image cap
15-avril-2024

Noraisina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Olympia Ampitatafika ny sabotsy

Card image cap