airtel

Politique

06-avril-2022

Politique

Politika Ahiana ho vaky ny antoko ny Arema

Sample post image

Raha nisy antoko nanana ny tanjany ara-potokevitra sy olona dia iray amin’ireo antoko tranainy nametraka tantara teto amin’ny Nosy ny antoko Andry sy Rihana Enti-manavotra an’I Madagasikara na AREMA.

06-avril-2022

 Antoko heverina ho nitety Repoblika telo nifandimby tao anaty vanim-potoana sarotra. Mbola velona sy niaina hatrany ny AREMA na dia nisy tamin’ireo ampahany lehibe mpikatroka no namorona antoko hafa, toy ny R.A.M, izay tarihin’ny filohany, Vianey José, ny MTS, naorin’i Roland Ratsiraka, ny DHD an’I Harinaivo Rasamoelina, ny MDM natsangan’I Pierrot Rajaonarivelo, ny VHT izay nahitana ireo mpikatroka mafana fo faraparany niaraka tamin’I Razanakoto Norbert. Rehefa mijery ny zava-misy, 46 taona (TTF: 19 martsa 1976 – 19 marsa 2022 ) aty aorian’ny nijoroan’ity antoko naorian’ny Amiraly Didier Ratsiraka ity, izay nodimandry ny volana martsa 2021, dia tsikaritra ny fisaraham-bazana tsikelikely miseho amin’ireo zaza navela sy zanaka an-trano. Ny tsy takona nafenina andro vitsy izay dia ny lalan-jotra roa samihafa eo amin’ny zanaka vavin’ny filoha Ratsiraka. Sophie Ratsiraka nisafidy ny hiaraka amin’ny fitondrana ary nanangana vondron’antoko atao hoe “Rassemblement des Pro Ratsiraka” (RPR). Mpikambana ao amin’ny governemanta rahateo izy ka tahaka ny hita hatramin’ny tetezamita no nankaty, dia ny ministeran’ny asa tanana hatrany, izay departemanta sokajiana ho zandriny, no mba hany anjaran’ny Arema matetika amin’ny fifampizarana. Manizingizina kosa I Annick Ratsiraka, Sekretera Nasionalin’ny antoko fa tsy manana olona ao anaty fitondrana ny antoko tarihiny, izay sady tsy mpanohitra no tsy mpanohana ny fitondrana fa eo ampovoany na misabaka hoy ny Malagasy.Mety mitombina kokoa ny famaritana ireo zotra roa ireo raha toa ka olon-kafa no mandeha amin’ny lalany saingy izy mirahavavy ireto mihoatra ny tena zanaka an-trano satria zanaky ny Filoha teo aloha mihitsy no mivoy hevitra roa mifanipaka sy misaran-kevitra no mahazendana ny mpanara-baovao. Ny vondrona vao natsangan-dRamatoa minisitra dia hita ho mitozo hanamafy ny fanohanany ny filoham-pirenena ankehitriny amin’ny taona 2023 ka mety hanangona ireo zanaka Arema sy zaza navelan’ny Amiraly miparitaka manerana ny Nosy. Ny Sekretera Nasionalin’ny Arema indray dia nilaza fa hitazona ny fanambarany ny amin’ny hananan’ny antoko kandidà ho filoham-pirenena amin’ny fifidianana hoavy. Efa manomboka amin’ny ady fifandroritana fototra araka izany ny roa tonta ka tsy ahafahana mitompo teny fantatra ny amin’ny fananan’izatsy na izaroa mpanaradia maro an’isa amin’izao tranga izao. Ho lasa varo-boanatsindrana koa ny mpikatroka any ifotony ka zaraina amin’izay mila sy mitady sy ahazoana tombontsoa sisa. Raha misy olona tokony ho nitazona tsara ny fotokevitry ny Amiraly dia ny zanany aloha no fitaratra voalohany saingy toa niteraka fikorontanana koa ny naha lasa ny Raiamandreny mpanorina ny antoko. Iza amin’ireo heverina ho Olomanga sy Raiamandreny maro manerana ny nosy novolavolain’Itompokolahy Ratsiraka no mety hitsangana handravona sy handamina izao disadisa tsy takona nafenina izao, hoy ny fanontanian’ireo efa mpikatroka Arema sasany? Tsy ny Arema irery anefa, raha tsiahivina ihany koa, no antoko politika neverina ho filamatra teto hatrizay tsikaritra ho nitrangana fivahavahana na fivakivakisana izany taorian’ny fahalasan’ireo mpanorina azy toy izao fa isany koa ny Leader Fanilo izay lasa nisy ny elatra Jean Max Rakotomamonjy sy ny elatra Pr Zafera Antoine mihitsy nisy fotoana ary mbola mampametra-panontaniana aza izany hoe efa niravina marina ve sa tsia? Toy izany koa ny antoko MFM, indrindra, taorian’ny fahalasan’Itompokolahy Manandafy Rakotonirina. Ahiana hanaradia izany koa izany ankehitriny ny AREMA ary azo lazaina hoe vazivazy zaritenany ihany nefa ahiana hitombona ny hisiana kandida ho filoham-pirenena miisa 3 samy anarana Ratsiraka amin’io fifidianana filoham-pirenena 2023 dia Roland Ratsiraka, Sophie Ratsiraka, Annick Ratsiraka.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap