airtel

Politique

02-août-2021

Politique

Politika avo lenta Efa nandrasana hatramin’ny janoary i Paul Rafanoharana ?

Sample post image

Tsy hita tabilao firy eo amin’ny toe-draharaha politika indray aloha ny resaka fanovana ny governemanta satria mibahan-toerana ilay raharaha famonoana ny filoham-pirenena.

02-août-2021

Toa mihitsoka eo amin’iny ny raharaham-pirenena. Ny mahagaga, dia ny hoe: ilay manamboninahitra Frantsay misotro ronono nalaza ho tsara toerana ho Praiminisitra aza no voasambotra voalohany sy voatondro ho atidoha nikasa hamono Filoha. Io manamboninahitra io izay voalaza fa mpanolontsaina ara-diplomatika ny Filoha ankehitriny tamin’ny tetezamita, ary mbola hita nifanakaiky tamin’ny Filoham-pirenena tamina fankalazana fetim-pirenena tetsy Mahamasina amin’izy efa Filoha voafidy izao. Efa tany amin’ny janoary no nalaza fa tsara toerana ho Praiminisitra, ary nambaran’ny fampahalalam-baovao fahiny fa isan’ny manosika na nanao “lobbying” ho azy ny Raiamandreny am-panahy iray isan’ny nosaringitina ao anatin’ny raharaha famonoana filoha. Fifandrifian-javatra ve ny hoe: efa ny janoary ihany koa no nanenjika sy nanakiana mivantana an’io olona io ny Minisitra iray ao anatin’ny governemanta? Mbola nasehony izany ny faran’ny herinandro teo? Aty amin’ny volana jolay, dia hoe voasambotra fa saika hikasa hamono ny Filoha. Tsy azo hamaivanina ilay hoe: nisy fikasana hamono ny filoham-pirenena, saingy ahiana ihany koa ny fisiana politika avo lenta sy mety kapa ranjo ara-politika nomanina tao anatin’ny volana maro. Efa tamin’ny volana janoary ihany koa ve izany no niomana tamin’ny famonoana an’I Andry Rajoelina I Paul Rafanoharana raha tena mitombina fa tsy sinema araka ny fiheveran’ny mpanara-baovao sasany azy ity raharaha ity ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap