airtel

Politique

09-nov-2021

Politique

Politika avo lenta Mandeha ny ketrika fananganana tetezamita…

Sample post image

Efa tena tafiditra tanteraka ao anatin’ny kajikajy hitazonana ny fahefana amin’ny 2023 ny Fitondrana Rajoelina. Ny vaomieram-pirenena mikasika ny fifidianana (CENI),

09-nov-2021

 izay ambaran’ny antoko sy ny mpanao politika ivelan’ny fitondrana fa efa hanjakan’ny loko volomboasary, ny Minisiteran’ny Atitany dia efa niteraka fanehoan-kevitra fa ny kajikajin’ny 2023 no antony nametrahana an’Atoa Pierre Houlder eo izay olona mahatokin’ny Antoko TGV-MAPAR,… Etsy ankilany, miha tsy marin-toerana hatrany ny Fitondrana Rajoelina, indrindra vao niainga ny resaka “doublon” noresahan’ny Filoha Lefitry ny CENI teo aloha Atoa Thierry Rakotonarivo tamin’izany fotoana. Vao ny 29 oktobra ihany koa no niaiky ny Filohan’ny CENI Atoa Hery Rakotomanana fa tena nisy “doublons” saingy tsy avy amin’izy ireo ny lesoka nahatonga izany, ary raha tsy havaozina ny fitantanana ny lisi-pifidianana dia na hisy CENI in-100 hiova aza tsisy azo antenaina. Niresaka ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana tany Toamasina, fa hatramin’ny mpiara-miombon’antoka avy any ivelany aza niaiky fa tsy lany ny Fanjakana Rajoelina fa mba hisian’ny filaminana dia nekena hitantana. Niparitaka ny resaka fa nisy teny nataon’ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) teo aloha fa tsy I Andry Rajoelina no lany saingy tsy nisy aloha ny porofo ofisialy manamarina ny nisian’io fanehoan-kevitra io,… Ireny anefa dia maneho sy manamarina ny tsy fahamarinan-toeran’ny Fitondrana Rajoelina, miampy ny olana marolafy miseho izy endriky ny tsy fahazakana firenena. Mihombo andro aman’alina ny olana ara-tsosialy, ara-toekarena,…
HIDITRA AMINA TETEZAMITA ?
Ny resaka kajikajy ara-pifidianana no niaingan’ny tolon’ny Depiote 73 tamin’ny 2018, rehefa nandeha ny tetika samihafa, toy ny hoe nisiana kolikoly voalaza fa natao tamin’ny depiote teny amin’ny Hotely Paon d’or. Niteraka fidinana an-dalambe, nitarika faharavan’ny governemanta, niafara tamin’ny karazana tetezamita niaraha-nitantana,… Tsy mivaona firy amin’ny sarisary tamin’ny HVM ny toe-java-misy amin’izao. Vao miandoha dia efa miseho ny tsy fahatokisana CENI sy HCC, misy mitaky fanovana ny lalàm-pifidianana,… Mamofompofona fitsongolohana ny fahalanian’ny ankehitriny mihitsy. Raha mihevitra ny olon’ny fitondrana fa handeha mora fotsiny amin’ny alalan’ny don-tandroka sy ny kajikajy ny fitazonana ny fahefana amin’ny 2023 dia efa misoko miadana ihany koa amin’izao ny politika avo lenta hananganana rafitra hitantana ny firenena, mety ho endrika tetezamita, hanomana ny fifidianana,… Heverina ho tsy tongatonga ho azy ny namoahan’ny Praiminisitra iray teo aloha ny sary maneho dinika politika tamin’ny tetezamita nahitana ireo Filoha teo aloha, eo ihany koa ny fipoiran’ny Filoha iray efa tsy am-perin’asa izay nangingina hatramin’izay,… Azo antoka hatreto, fa hangotraka ny toe-draharaham-pirenena mialohan’ny fifidianana !
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap