airtel

Politique

21-juil-2021

Politique

Politika avo lenta Miandry izay ambaran-dry Ravalo ry Rajoelina

Sample post image

Hanamarika ny faran’ity herinandro ity eo amin’ny lafiny politika ny hisian’ny fikaonan-dohan’ny mpanohitra ho an’ny rantsana RMDM tarihin’Atoa Marc Ravalomanana

21-juil-2021

 izay hatao ny 23-24 jolay ho avy izao eny amin’ny By Pass. Efa iny niaraha-nahalala iny kosa ny an’ny Vondrona PANORAMA teny amin’ny Foiben’ny HVM Andraharo ny sabotsy 17 jolay teo. Ireo Vondrona roa ireo izay nifampiditra teo aloha satria nisy ny sady RMDM no PANORAMA. Vonona ny PANORAMA amin’ny fiaraha-mitantana raha misy ny fifanarahana politika mizotra makany amin’ny tombotsoam-bahoaka. Ny andaniny izay efa nanipy teny kosa fa hiroso amin’ny fidinanana andalambe dia ny RMDM araka ny fanambarana efa nataon’i Pasitera Edouard Tsaraharame, saingy andrasana ny venti-kevitra hivoitra ao anatin’ny fikatrohan-doha mandritra ny roa andro. Mety ho tafiditra ao anatin’ny politika avo lenta izay tsy misy lasitra sy raiki-pohy raikitra eto amintsika ny zava-misy, ka ny mpinamana anio mety ho lasa mpifanandrina rahampitso, ary ny mpivahavalo ara-politika anio mety ho lasa mpisakaiza aoriana. Hiditra amin’ny “alliance politique” ve ny Fanjakana Rajoelina amin’izao tsy fahamarinan-toerany izao matoa misy ny resaka avy any ivelan’ny fitondrana fa vonona amin’ny fiaraha-mitantana ao anaty fifanarahana politika? Efa hatry ny ela no nivoaka ny feo momba ny hisian’ny fanovana mpikamban’ny governemanta, saingy tsikaritra ho tsy dia tia hanaovana tsindry na koa naka toky tany amin’ny mpamatsy vola ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina. Ny tsy azo lavina, dia mafy ny tsindry ara-politika na koa ara-diplaomatika, ary tsy mahatafavoaka baolina ny governemanta ankehitriny. Vao miditra amina fiaraha-mitantana eo ihany koa anefa I Andry Rajoelina, dia efa tsy misy resaka velirano izany intsony eo, fa fampiodinan-draharaha sy fiomanana fifidianana no ady eo. Mety hanamarika ny tontolo politika ity herinandro ity sy io herinandro ho avy io, ary mety hiandry izay ambaran’ny RMDM tarihin’Atoa Marc Ravalomanana vao hivoaka ny fanapahan-kevitry ny Fitondrana Rajoelina. Hanova governemanta sy hanao fisokafana sa mbola hifampihainohaino sy hifanasa vangy lava eo ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap