airtel

Politique

29-janv-2021

Politique

Politika avo lenta Misy mampiady ny Filoha sy ny Praiminisitra ?

Sample post image

Ny Filoha sy ny Praiminisitra no lohany eo amin’ny firenena, ary indraindray

29-janv-2021

 

 

 


lasa mpifandrina ara-politika. Hita taratra io tamin’ireo Fanjakana sasany nandalo, ary saika avy ao anatin’ny Fitondrana no mandemy ilay Filoha na ny antokony. Porofo iray ny Fitondrana Rajaonarimampianina, izay ny Praiminisitra no lasa nifaninana taminy niampy minisitra maromaro. Ankehitriny, mety tafiditra ao anatin’ny kajy ny fampiadiana an’Atoa Andry Rajoelina sy Ntsay Christian, na koa mety hisy hatao sorona hanangonana ny rihitra. Mety miara-potehina ihany koa. Na tsy miseho mivantana aza, dia efa hita taratra ihany ny tsy fitovian-kevitra amin’ny olona samy ao anaty governemanta na samy ao anaty fitondrana. Iza no mety hahazo tombotsoa amin’izany? Misy politisianina efa miketrika hivoaka ho “héro” ao anatiny ao. Henjana rahateo ny fiodin’ny politika eto Madagasikara, ka mety tsy ho ny mpanohitra heverina ho fahavalo voalohany no ho fositra sy tena hamely ilay Fitondrana. Vao mainka io mampanahy rehefa nifanao fifanarahana tamina vondron’olona na antoko na fikambanana matanjaka iandrasana tambiny goavana ny kandida iray mba hahatonga azy eo amin’ny toerana. Mety hiseho aorian’io ny tsindry samihafa rehefa tonga eo amin’ny toerana, ho tratry ny sakana amin’ny fanapahan-kevitra. Izay nametraka teo, dia mieritreritra fa afaka manaisotra rehefa sosotsosotra, ary avy ao anatiny ihany no ampiasainy hamotika. Mbola mety ho lesoka hafa ny tsy fahamarinan-toerana noho ny mety ho lesoka na lalao maloto tamin’ny fifidianana. Mety hararaotin’ny hafa izany, ary misy foana ny hery fahatelo na fahaefatra mety ho ao anaty Fanjakana ao. Ireny ilay misoko miadana dia mipoitra tampoka rehefa vita ny tolona sy kajy mety mandeha.

Toky R

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap