airtel

Politique

12-juil-2021

Politique

Politika eto Madagasikara Lasa bizina fangoronan-karena sisa

Sample post image

Isan’ny olana sy tena mahavoa an’i Madagasikara ny tsy ampy kolotsaina ara-politika. Politika foana ny mitondra kanefa lasa mandrakandrana. Hafa mihitsy ilay hoe olona voataizan'antoko,

12-juil-2021

 fa ny antoko politika eto koa moa tsy hita be ihany. Mila hianarana ny politika fa tsy hoe mijery fahitalavitra sy mamaky gazety dia lasa mpanao politika. Ny tena loza dia ilay fitantanana firenena mifangaro foana amin’ny bizinesy satria mpandraharaha maro no lasa olom-boatendry sy olom-boafidy. Eo anatrehan’ny tsy fahaizana politika dia tena manesikesika sy manao rapa-dango mameno paosy sy sakaosy fa tsy mba mahonon-tena mihitsy. Ny vahoaka mitombo isa ny sahirana, fa ny manam-pahefana mitombo harena. Izay ilay tena olana fa ny kolikoly sy afera izany anie misy na aiza na iza, fa ny hadiriny sy ny fisehony angamba no tsy mitovy. Ny an’ny olona mandroso ny tanàna sy ny olombelona, fa ny eto amintsika kosa ny fahazoana seza sy fahefana toa midika ho fahalalahana mangoron-karena amin’ny endriny rehetra. Any amin’ny firenena mandroso, maro ny mason-tsivana hapatraka ho an’ireo olona handray andraikitra sy fahefana ara-politika, ary mety mila dingana maro. Eto amintsika kosa, lasa bizinesy ny fanaovana politika sy fakana fahefana, hany ka matetika no tafidi-kizo amin’ny hoe : Filoham-pirenena na olom-boafidy kianjoanjo na « par accident » matetika. Izay manam-bola na mahatsapa ho manana herijika kely azo hitarina any amin’ny politika, dia mirona amin’izany avokoa, hany ka toa lasa mivaona tsy araka ny tokony ho izy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Hanao rodorodo any Toamasina hiatrika ny filankevitry ny minisitra mitety faritra anio

Card image cap
17-avril-2024

Efa niteny ny antoko politika Teza fa tsy handray anjara amin’io fifidianana io satria ho haingon-tsehatra

Card image cap
17-avril-2024

Mitohy ny fanapahan-kevitra hafahafa ao amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza taorian'ny nanonganan'ny IRD

Card image cap
16-avril-2024

Anio 16 aprily 2024 no hamoahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na

Card image cap
16-avril-2024

Isan’ireo antoko nanapa-kevitra handray anjara amin’ny fifidianana ny antoko politika Otrikafo

Card image cap
16-avril-2024

Mbola misy ny antsojay amin’ireo tsy ao anatin’ny antoko politika miaraka amin’ny fitondrana

Card image cap