airtel

Politique

20-oct-2021

Politique

Politika Iray tsy mivaky ny TIM

Sample post image

Nisy omaly ny fivoriana niarahan’i Marc Ravalomanana tamin’ireo solombavambahoaka TIM (Tiako i Madagasikara) tao Faravohitra.

20-oct-2021

 “Antoko manana ny maha izy azy ny TIM satria misy ny paikady, ny fitsipi-pifehezana ary ny firaisankina”, hoy ny fampitam-baovao fohy tao amin’ny Pejy ofisialin’Atoa Marc Ravalomanana. Nifanandrify indrindra tamin’ny fisokafan’ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimieram-pirenena ny omaly, ary heverina fa isan’ny nifanomezana toromarika ny mahakasika izany. Hita teny Faravohitra avokoa ireo 15 miisa satria tsiahivina fa nesorina tsy ho TIM intsony ny depiote voafidy tany Andramasina. Sary tsy hita tao anatin’ny fotoana naharitra ny fiarahan’ireo depiote rehetra lany tamin’ny anaran’ny TIM. Tsikaritra ho nisy ny fisarahan-dia, ary nanaporofo izany ny fandaharana miara-manonja, izay lasa nisy anankiroa. Niteraka resabe ny tsy nahitana ny depiote Fidèle Razara Pierre sy ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa eny amin’ny Fikaonan-doha nasionalin’ny RMDM (Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara) ny 23-24 jolay 2021,… Ankehitriny, mampiseho amin’ny alalan’ireo olom-boafidiny izany ny TIM fa iray tsy mivaky. Isan’ny noresahina tao anatin’ilay fampitam-baovao fohy rahateo ny resaka paikady, fitsipi-pifehezana, firaiankiana. Heverina ho karazana fiaingana vaovao ho an’ity Antoko ity sy manala ny ahiahian’ny mpiara-dia amin’izy ireo ny sary niseho omaly.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap