airtel

Politique

26-janv-2021

Politique

Politika maloto Tazanim-potsiny ny fanalam-baraka ireo mpanohitra

Sample post image

Niraradraraka tao amin’ny tambazotran-tserasera Facebook tao hatry ny omaly

26-janv-2021

 

 

 

ny fanalana Baraka ireo lohandohan’ny mpisorona ao anatin’ny fanoherana izao fitondram-panjakana izao. Nahazo ny anjara mamaivay tao anatin’izany moa ny filoham-pirenena teo aloha sady filohan’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, Marc Ravalomanana. Toy izany koa ny solombavambahoakan’I Madagasikara miisa 2, Fidele Razara Pierre sy ny Maitre Hanitra Razafimanantsoa. Tsy vitan’ny fidirana lalina amin’ny fiainana manokan’ny olona na “vie privée” fotsiny fa tena fanaratsiana sy fanalam-baraka miharihary mihitsy. Manoloana izany anefa dia hita ho tazanim-potsiny ny zava-misy. Aiza ny sampan-draharaha misahana ny heloka ana habaka na “cybercriminalité”? Tsy vao sambany moa no nisy fanalam-baraka an-tambazotran-tserasera nihatra tamin’ny mpanohitra toy izao, izay efa nametrahan’ny avy anivon’ny antoko politika Tiako I Madagasikara, fitoriana mifandraika amin’izany saingy tsy mbola nahitam-bokany hatreto, raha ny fitarainan’izy ireo. Asa na hanao ahoana indray ny tohin’ireto manaraka ireto.

 

J. Mirija

 

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap