airtel

Politique

04-mars-2021

Politique

Politika Mifanenjana ny fanjakana sy ny mpanohitra

Sample post image

Notsipahin’ny Prefektioran’Antananarivo sy nosokajiana ho hetsika tsy

04-mars-2021

 

 

nahazoana alalana ny fikasan’ny depiote avy amin’ny TIM mpitarika ny Miara-manonja hanao tatitra eny Soamandrakizay amin’ny sabotsy 6 martsa izao. « Hatramin’izao dia tsy mahazo alalana ny fihetsiketsehana, hoy ny Prefe Jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian omaly. Tsy azo hidirana eny Soamandrakizay, ary tsy hanome toerana hafa ihany koa ny Pefektiora; tsy maintsy manao fangatahana amin’izay toerana hampiasaina. Nambarany, fa tsy misy fahazoan-dàlana hampiasa ny tany (autorisation d’occuper) avy amin’ny tompony. Izao tsy hanao « réquisition » intsony satria efa nomena fahalalahana tamin’iny, efa fanararaotana ihany koa ny an’ny Fanjakana raha isaky ny tapa-bolana dia haka ny tanin’olona hampiasaina foana. Fanajana an-dry zareo no natao tamin’iny hoe depiote hanao tatitra, dia nitady toerana ny prefektiora. Indray mandeha ihany, ka manasa tànana aho, hoy izy. Tsy afaka hanao fanagiazana ny tanin’ny katolika noho ny fisarahana eo amin’ny raharaham-panjakana sy ny fiangonana”, hoy ity tompon’andraikitra ity. Nambarany ihany koa fa tamin’ny fanambarana ofisialy nataon’ny RMDM tamin’ny alalan’ny Pasitera Edouard Tsarahame, nilaza fa tsy hisy intsony ny fanaovana tatitra, fa mivadika ho tolom-bahoaka, efa fanonganam-panjakana, ka tsy mino izany intsony izahay hoe tatitra, fa iny serasera iny no raisinay, hoy ity jeneraly ity. Mbola hisy ny fivoriana hataon’ny OMC anio, handraisana fanapahan-kevitra farany mikasika ny fangatahana sy fepetra horaisina taorian’ny fifampiresahana am-bava teo amin’ny solontenan’ny depiote sy ny Prefektiora. Raha raisina amin’io, dia hosakanana indray ny famoriam-bahoaka kasain’ny mpanohitra, izay milaza fa hanao “défi” amin’ny Fanajakana eo anatrehan’ny filazana fa vitsy an’isa sy 6%. Hiantrana am-bava basy indray izany ny mpitandro filaminana.

 

“MILAZA TSY HIHEMOTRA NY ANKILANY”

“Hatreo aloha izahay dia Soamandrakizay, izay no ofisialy, fivoriana am-bava no natao. Mbola hisy fivoriana handraisana fanapahan-kevitra. Io no toerana efa nomen’ny Fanjakana sy efa niomanana. Ny faritra Soamandrakizay mizara roa farafahakeliny, ka ny Parking ivelan’ny an’ny Katolika no nomen’ny fanjakana hanaovana ny tatitra. Tsy niomana hampiasa ny faritra an’ny katolika ny Miara-manonja, raha ny nambaran’ny Depiote Mamy Rabenirina. Hisy ny famoriana ireo mpitarika ny Jeune TIM, FOKTIM, DISTIM eny amin’ny QG-n’izy ireo Bel’air anio.

 

Mihenjan-droa ny tady hatreto eo amin’ny fanjakana amin’ny alalan’ny prefektiora sy ny mpanohitra.Toa lasa resaky ny moana sy ny marenina, ny ankilany manizingizina fa hanao hetsika, ny andaniny manindry mafy fa tsy mahazo manao hetsika satria efa misy ambadika hafahafa.Isan-karazany ny fivoriana etsy sy eroa isan’andro saingy tsy misy vahaolana mazava aloha hatreto.Mandra-paharahoviana no hifanenjana ? Tsy hihaona an-databatra boribory mihitsy ve ?

 

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap