airtel

Politique

21-déc-2021

Politique

Politika, raharaham-pirenena,… Nodimandry Ranjivason Jean Théodore

Sample post image

Lavo ny andrarezina ! Nodimadry ny marainan’ny omaly 20 desambra ny Minisitra teo aloha Jean Théodore RANJIVASON.

21-déc-2021

 Iray amin’ireo nanafana ny sehatra politika teto Madagasikara nanomboka ny taona 2000 ny tenany, ary somary nisintaka taorian’ny taona 2010. Olona novolavolain’ny Antoko MONIMA sy ny MFM tamin’ny fotoan’androny, niditra tao anatin’ny TIM tao anatin’ny toe-draharahan’ny 2002 izay nampiakatra an’i Marc Ravalomanana teo amin’ny Fitondrana. Voatendry ho minisitra imbetsaka tao anatin’ny governemantan’Itompokolahy Jacques Sylla, ka amin’ny maha atleta malaza azy, dia efa nitana ny toerana maha minisitry ny fanatanjahantena sy ny tanora ary ny ala voly. Mpampianatra mpikaroka teny amin’ny anjerimanontolo, ary isan’ny ikoizana amin’ny fampianarana ny taranja Malagasy Atoa Jean Théodore Ranjivason, ka dia voatendry ho minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ihany koa tamin’ny fotoan’androny, ary nitantana ny Minisiteran’ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy indray taorian’izay. Somary nisintaka tamin’ny TIM tany amin’ny 2006-2007, ary niara-dia tamin’i Andry Rajoelina nandritra ny raharaha 2009 ka lasa mpikambana tao anatin’ny HAT (Haute Autorité de la Transition), avy eo lasa CST (Conseil Supérieur de la Transition). Niverina tanteraka tamin’ny asa fampianarana teny amin’ny anjerimanontolo izy taorian’ny fahataperan’ny tetezamita ny 2013, ary nahalana sisa no tena nahitana azy tamin’ny tontolo politika. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.

Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap