airtel

Politique

15-juil-2021

Politique

Politika sy fiainam-pirenena Miahiahy an’i Siteny ny mpitondra

Sample post image

Ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena dia mitana andraikitra goavana amin’ny maha Filohana andrim-panjakana, fa eo ihany koa ny Vondrona MAPAR.

15-juil-2021

 Amin’ny lafiny iray, mety hananana andraikitra lehibe amin’ny fitazonana ny fitoniana ao anaty Fanjakana, saingy iny izy nivoaka tamin’ny fahanginany iny Rtoa Christine Razanamahasoa toa nanampy trotraka ny afo efa mirehitra iny. Fampitandremana ny Filoha ve no tanjony tao anatin’ilay hoe ny tena mibaiko ny fitondrana dia ny fitoniana politika, ary olona tokony mahazaka vahoaka efa nisedra fifidianana no homena sehatra bebe kokoa amin’ny governemanta? Ny tena sary hafahafa miseho ihany koa anefa etsy andaniny, dia ny fahitana an-dRtoa Christine Razanamahasoa tany amin’ny lanonam-be nandraisana ny Filohan’ny Rafitry ny Judo aty Afrika Atoa Siteny Randrianasoloniaiko. Ity farany, izay ekena fa depiote lany tamin’ny anaran’ny IRD, saingy efa mandeha ny feo sy ny resaka fa mety handeha lavitra kokoa amin’ny politika ary miketriketrika ny ho kandida amin’ny Filoha amin’ny 2023. Maro rahateo ireo “mentor” sy “coach” ara-politika nasehon’i Siteny Randrianasoloniaiko tao Toliara ny 7 jolay lasa teo. Malaza ho akaiky ny Rosiana sy ny Amerikana, ary efa miketriketrika tanjona lavitra kokoa amin’ny politika. Na tsy miteny mivantana an’izany aza, dia izay no sary toa miseho sy hita ankehitriny.
TSY MBOLA NORAISIN’NY FILOHAM-PIRENENA
Reherahan’ny firenena na “fièrté nationale” izany fanananana olona teratany Malagasy lany amina rafitra faratampony aty Afrika amin’ny judo izany, ary mbola filoha lefitra maneran-tany rahateo. Lojika raha noraisin’ny Filoham-pirenena, saingy tsy mbola nisy aloha izany hatreto, raha toa ka nanao izany tamin’ny alalan’ny Pasitera Edouard Tsarahame ny RMDM tarihin’Atoa Marc Ravalomanana. Raha ny tantara ara-politika teto, dia tsy mbola nanana Filoham-pirenena ny “Grand Sud”, ary mety mandeha ny kajikajy sy famondronan-kery, ary isan’ny olobe any amin’ny ilany Atsimo ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena. Manomboka ve ny fanaovana fitan-droa ataon’ny olon’ny Fitondrana eo anatrehan’ny safotofoto politika? Ananana ahiahy ve ny depiote Siteny Randrianasoloniaiko?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap