airtel

Politique

08-avril-2022

Politique

Politika sy raharaham-pirenena Inona marina no tena ketriky ny HVM ?

Sample post image

Herintaona sy tapany mialohan’ny fifidianana isika izao, ary samy miomankomana sy manomana ny paikady politikany ireo vovonana sy antoko politika samihafa.

08-avril-2022

 Ao no mety miomana tokoa amin’ny fifidianana fa misy ihany koa ny mivoy fa tsy izay aloha izao no maika fa mila apetraka aloha ny rafitra sy ny lamina vaovao handaminana sy hitantanana ny firenena raha tiana tsy ho sakoroka ny amin’ny taona 2023. Raha samy mandray anjara feno amin’ny raharaham-pirenena ary eto an-tanindrazana ny Filoha am-perin’asa, ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, dia nisafidy ny hiorim-ponenana any ivelany kosa ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina taorian’ny fahareseny tamin’ny 2018. Tahotry ny valifaty na hetraketraka politika ataon’ny Fanjakana ankehitriny ve ka misafidy ny hanao sesin-tany ny tenany any ivelany? Raha izay, manana ny satany manokana izy amin’ny maha efa filoha nitantana ny firenena azy, ka tsy tokony ho sakana izany. Kivy tamin’ny voka-pifidianana ve ka maka saina any ivelany? Telo taona sy tapany ve mbola tsy afaka ihany ny ferin’ny lasa? Amin’ny maha antoko politika azy, miomana hiverina amin’ny fitondrana ny HVM. “Tsy naman’ny mihemotra, tsy naman’izay matahotra, mino ary niasa, mitady ny tombotsoan’ny vahoaka,… Hijery amin’ny fo feno fitiavan-tanindrazana, ka ny ezaka dia ny hiverina ao anatin’ny Fitondrana, hitondra ity firenena ity. Raha tsy manana izay herim-po sy herin-tsaina, ary tsy fahatanjahana sy fahatokisana dia tsy mpanao politika. Rehefa nanao soa dia hovalian’ny olona soa satria mazava izao ny làlana, mazava satria teo ny zava-bita, resy isika kanefa ny olona nandresy antsika no mitondra amin’izao ary izay fomba nandreseny tao mbola hotsarain’ny tantara eo », hoy Atoa Rivo Rakotovao Mpandrindra Nasionalin’ny HVM ny 11 desambra 2021 nandritra ny famelomam-maso ny antoko teto Antananarivo. Na efa nivalona aza ny taona, heverina fa mafy tamin’ny HVM ny nitsako iny faharesena iny ka mampametra-panontaniana hoe : amin’ny fomba ahoana no hanarenany izany ? Ny ekipa toa misara-bazana raha tsy hilaza afatsy ny fanalana an’Atoa Rachidy Mohamed tsy ho Sekretera Jeneraly nasionaly tamin’ny toerany. Inona marina ary no tena ketrehin’ny HVM ? Hatreto, mbola Atoa Hery Rajaonarimampianina no heverina fa ho kandidany ka hanao tahaka ny nataon-dRajoelina ve hoe : tsy hita 4 taona dia ho avy masiaka ? Misy mpandraharaha akaiky sy ekipa tao anatin’ny fitondran’ny HVM ihany koa anefa etsy ankilany toa mampiseho sary an-kolaka fa miketriketrika fifidianana filoha. Maro no manombatombana, fa kandida akaiky ny fiangonan-dehibe iray isan’ny manana olona betsaka io. Efa samy manana ny làlany fa tsy mitakosona amin’ny HVM intsony ve sa paikady ara-politika hoenti-mikendry fahefana?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap