airtel

Politique

10-août-2021

Politique

Politikam-panjanahana Vao miha mandaitra eto Madagasikara

Sample post image

Zarazarao hanjakana, hoy ny Frantsay fony izy ireo nitantana ny fanjanahantany izay efa nifarana tamin’ny 60 taona lasa mahery saingy efa teti-panorona hifehezana an’i Madagasikara

10-août-2021

 talohan’ny taona 1896 mihitsy kosa raha alalinina ny rakitsoratr’ireo mpahaivondronolona nampiasain’ny frantsay teto tamin’izany fotoana tanatin’ilay rafi-pikarohana antsoina hoe ORSTOM na « Organisation de recherche scientifique du territoire d’outre mer ». Vao miha mandaitra eto Madagasikara ankehitriny io politikam-panjahana efa lany daty io raha toa ka saika efa miha afaka tsikelikely aminy ireo firenena zanatany frantsay hafa niarakaraka nomena fahaleovantena tamintsika toa an’i Senegal sy Cote d’Ivoire. Efa niezaka nanao izay hahatongavan-tsaina ihany ny taona 1970 sy 1980 ry zokibe ao amin’ny tarika Mahaleo hoe « voazara ho antokotokon’olona, voazara ho vondrombondron’olona, nozarainy ho fokofokon’olona amin’izay angamba tsy ho vanon-kolona » isika kanefa ny mahagaga dia toy ny rano mangatsiaka natondraka tan-damosin’ny gana avokoa ireny rehetra ireny amin’izao fotoana izao. Niaraha-nahatsiahy ny fisian’izany Mapar 1 sy 2 ary 3 izany tamin’ny fotoanan’ny tetezamita izay mbola misy milaza moa fa mitohy mandrak’anio ny toy izany satria dia feno firehana na « clan » misampantsapana ao anatin’ny fanohanana ny fitondrana ao. Misy IRD, IRK, Mapar, TGV, IRMAR, IFI, VAR sy ny maro hafa. Aty amin’ny fanoherana koa ahitana ny Miara-manonja 1 sy 2. Ny RMDM sy TRMDM sa ho RMDM 1,2,3 koa ve atsy ho atsy? Ny ambany tanana koa misy miaraka amin’I Jean Nirina HAFARI sy ny miaraka amin’ny tarika Rossy. Hatrany anaty fiangonana mbola ahitana ny fizarazarana toy izany. Mbola azo antenaina hampandroso ity firenena ity ve ny fisiana toe-javatra toy izany eto kanefa isika manana ilay oha-pitenenana efa zary tsianjery hoe “Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika.”? Asa hoe rahoviana ihany vao samy ho tonga saina na dia firenena tsy nandalovana adim-poko nahery vaika toy ny tany amin’ireo firenen-kafa efa mihavana ankehitriny aza.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap