airtel

Politique

04-oct-2022

Politique

Politikan-dRajoelina Mivoaka miditra toy ny lelon-jaza

Sample post image

Mitohy ny politika sy firesaka mivoaka miditra toy ny lelon-jaza ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Zary lasa ataon’ny olona fihomezana indraindray.

04-oct-2022

Marina fa toy ny zavatra tsy dia manao ahoana ny sasany, saingy ahafaha-mitaratra ny etika politika sy ny maha “Homme d’Etat” amin’ny fomba firesaka sy fomba fiasa. Mifoha ny resaka fanovana an’i Toamasina tahaka an’i Miami, tanàna malaza any Etazonia. Tamin’ny taona 2018 nandritra ny propagandy, dia hoy ny Filoha: “Misy ny atao hoe: Miami any Etazonia, misy ny atao hoe: Côte d'Azur any Frantsa, isika manana an'i Tamatave Toamasina ataontsika tahaka ny any Etazonia ataontsika, tahaka ny any Frantsa, mbola tsara noho ireny aza Tompokolahy sy Tompokovavy". Tonga aty amin’ny 2022 indray dia hoy izy: “Ataontsika toerana tsara homena anarana hoe: Miami, sao mieritreritra hoe: Miami any Etazonia fa ny antsika andeha hataontsika hoe: Miami Malagasy, ny antsika dia hoe MIAMI dia hoe MIray hina Ary MIfankatia”. Hafahafa, mety heverina ho zavatra tsy mankaiza fa ny fahavitany no zava-dehibe, saingy hitarafana ny maha tsy matotra ara-pitantanana. Tsy vao sambany io mivoaka miditra tahaka ny lelon-jaza, fa fanta-poko fanta-pirenena izao ny vava be natao tamin’ny adihevitra teo amin’ireo kandida roa tonta tamin’ny fihodinana faharoan’ny fifidianana filoha hoe: “tsy hampandroso antsika na amin’ny 2030, 2050, 2060,… ny fitrosana amin’ny mpamatsy vola mahazatra, fa rehefa izao no tonga eo isika indray aza no hampindram-bola an’I Kaomoro rehefa izaho no tonga eo amin’ny fitondrana”. Izao fakana sary miaraka amin’ny Filohan’ny FMI sy ny fakana sary miaraka amin’ny Filoha Amerikanina no ventesina sy ampitenenina fa mahatoky antsika ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon’antoka. Tsy misy afitsoka sy tsy misy zavatra mandeha raha tsy misy famatsiam-bola avy any ivelany, antony isan’ny mampihisatra ireo tetikasa goavana hireharehana tahaka ny Tanamasoandro, teleferika, fanamboarana ny RN13, flyover, autoroute Antananarivo-Toamasina,… Henjana ny vava be sy ronono an-tavy tamin’ny propagandy fa ny tsy vitan’ireo Filoha rehetra nifandimby tao anatin’ny 60 taona nolazaina fa hovitainy ao anatin’ny 5 taona monja. Izao indray lasa hoe: tsy vita ao anatin’ny 3,4,5 taona ny asa fampandrosoana, ary mila fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika in’efatra eo raha tiana handroso I Madagasikara. Hafa ny firesaka hambaboana ny vahoaka, ary hafa ny fiteny ho fialana bala rehefa tsy mahomby ny balarora? Rehefa jerena, ny fahantrana sy fahasahiranana tsy nisy tao anatin’ny 60 taona no miseho ankehitriny. Manakaiky indray ny 2023 ka mbola hahomby ve ny politika sy firesaka manidintsidina hakana ny vaton’ny mpifidy?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap