airtel

Politique

12-mars-2021

Politique

Pr Emmanuel Djacoba Tehindrazanarivelo « Lasa entam-barotra ny raharaham-panjakana eto »

Sample post image

Nahitsy fitenenana ny Pr Emmanuel Djacoba Tehindrazanarivelo, mpitandrina Fjkm no sady Raiamandreny

12-mars-2021

 

 

raha naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena ny alarobia alina teo.Tsy mbola nisy fahantrana tahaka izao teto, hoy izy , eny tsy misy ny ady an-trano saingy miampatrampatra ny faty.Vao avy nitety faritra tany avaratra sy teto Antananarivo aho, niditra tany anaty fokontany sy tanàna nahita imaso fa tena mahantra ny Malagasy.Ontsa ny fo nahita ireo ankizy kere avy any atsimo nandeha an-tongotra namonjy ny tapany avaratry ny nosy, tratry ny orana koa dia mialoka ambany hazo eny amin’ny sisin-dalana amina fitafy zara raha misy.

 VOLA NO MITENY ETO

Aiza ny mpanao politika, aiza ny fiangonana no tsy mahita an’ireny sy tsy mandray andraikitra hoy ny Pr Emmanuel Djacoba Tehindrazanarivelo, nahoana no tsy ampiantranoana anaty fiangonana ireo havantsika kere nitsoaka ny taniny ireo, hoy izy ? Tena mampalahelo fa lasa entam-barotra ny raharaham-panjakana eto Madagasikara , hoy izy ka isaky ny fifidianana dia misy ny olona miantoka kandida.Mazava ho azy fa tsy maintsy maka tombony izy rehefa lany eo iny olona iny; tena sanatria vidiana ambongadiny sy antsinjarany ny vahoaka Malagasy.Vola foana no miresaka eto: aza mba marary ihany mamonjy hopitaly ka tsy manam-bola.Tena loza fa lasa tsy mahatoky intsony ny hopitaly ny Malagasy, tsy mahatoky intsony ny sekolim-panjakana, tsy mahatoky intsony ireo mpitandro filaminana hany ka mitranga ny fitsaram-bahoaka.Ilay rafim-panjakana sy rafim-pitondrana mihitsy no tsy mety ka mila ovaina hoy ny Pr Emmanuel Djacoba Tehindrazanarivelo. Tsy fahaizana amam-pahalalana sy fahendrena no hahazoana fahefana eto fa ny vola, hoy izy ka mila ahitsy izany.

OMEO VOLA SY FAHEFANA NY FARITRA

Ampiharo ny voasoratra oao amin’ny lalampanorenana ka ataovy ny fifidianana filohan’ny faritany, filohan’ny faritra ary filohan’ny fokontany.Omeo vola sy fahefana ny isam-pariitra hiasany , izany no atao hoe fampandrosoana fa tsy isaky ny hanao zavatra na hanapa-kevitra dia tsy mainntsy miera amin’ny fanjakana foibe, hoy ny Pr Emmanuel Djacoba Tehindrazanarivelo; sehatra afaaka sahanin’ny isam-paritany avy hatrany ohatra ny fahasalamana, fandriampahalemana ary ny fanamboaran-dalana.Nambarany ihany koa fa tsy mahay maka lesona mihitsy ny Malagasy ka lazaina fa ratsy avokoa izy vitan’ny tany aloha; tsy misy tsy diso izay mandia tany fa izay mivarolavo no tena adala hoy ity mpitandrina sady raiamandreny ity, izy izay efa nianatra sy nandalim-pahaizana ary niasa tany Canada sy tany Etazonia ary mahafantatra ireo filoham-pirenena nifandimby teto Madagasikara.Safidy sy as any fandrosoana hoy izy ka mandroso ny firenena rehefa mahatsiaro ny Malagasy rehetra fa tompon’ny fannjakana fa tsy sanatria olona natao tohatra fiakarana nakana fahefana fotsiny.

ANTSO AVO

Nanao antso avo ho an’Atoa isany Marc ravalomanana, Hery Rajaonarimampianina ary ny filoha am-perinasa Andry Nirina Rajoelina ny Pr Emmanuel Djacoba Tehindrazanarivelo mba hahay hifandinika ka hijery ny soa iombonana sy ny teny ierana hampandrosoana an’i Madagasikara ka tena ho hita any amin’ny aty vilanin’ny isan-tokantrano tokoa izany.Fa izao zava-misy izao ve no nampanantenainareo tamin’ny propaandy ka nanarahanay anareo, hoy izy nanontany.Avy eo ianareo ho avy ny fifidianana dia hoe : fido, fidio indray izahay.Niantso manokana ny filoha Rajoelina izy : avelao tompoko hiteny ny mpanohitra, ny manimba zavatra kosa tsy ekena fa handraiso fepetra.Mifampiresaha ianareo dia alefaso mivantana amin’ny haino aman-jery mba ho hitan’ny Malagasy rehetra.Atao mazava anaty fahamarinana ny zavatra atao fa aoka izay ity fady atsangana isaky ny mihetsika ity ka na ny lokon’akanjo hanaovana avy aza ahitan-doza, hoy izy.

RTT

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap