airtel

Politique

22-juil-2021

Politique

Pr Jonah Ratsimbazafy «Ny fahaizany no tokony hanendrena minisitra …”

Sample post image

Naneho hevitra momba ny resaka mafana amin’izao fotoana izao mikasika ny mety ho fanovana ny mpikamban’ny Governemanta ny Pr Jonah Ratsimbazafy tao amin’ny tambajotran-tserasera.

22-juil-2021

 Resahina foana tatoato ny mahakasika fanovana ny Governemanta satria misy ohatry ny tsy mahavoa hono ka mila esorina, ka soloina olona heverina fa mahay kokoa sy niara-nitolona sy niaritra ny mangidytamin’ny Filoha ary tsy nivadika tamin’ny Filoha andry Rajoelina hatramin’izay. Raha ny adi-hevitra sy fanazavan’ny Solombavambahoaka Raholidina tato ho ato izay sy tao amin’ny Real TV alina moa dia mbola nohamafisiny ihany izay ary tena namaivay ny ohatra nambarany momba an-Rtoa Rinah Rakotomanga izay anisan’ny tananan’ankavanan’ny Filoha, ary ny Depiote Rossy ihany koa mpiteny io mpiara-mitolona lava io. Fa ny tiako ho lazaina eto satria 2 taona sy tapany tsy azo anaovana fahadisoana fa tokony ho fahombiazana hatrany no hisy manomboka izao dia hanendry olona tokoa ny Filoha fa tsy dia nisy loatra intsony ilay antso ho an’izay maniry ho Minisitra, Sekretera Jeneraly,… mba hanatitra CV. Mety hanamarina ilay hoe “tena aleo izay niaraka tamin’ny tolona 2009 ihany no ho fidiana Minisitra sns… (Izany hoe: Izay no mason-tsivana tena lehibe hisafidianana ilay olona fa tsy ny “competence” na fahaiza-manao sy traikefa loatra…). Fa izao no aza adinoina ary ambara mazava sy tsotra tompoko: Misy Minisitera dia saika miankina tanteraka amin’ny volan’ny mpamatsy vola avy any ivelany no mampandeha azy efa hatramin’ny 80% mahery, hoy i Pr Jonah Ratsimbazafy. Nambarany fa tena zava-dehibe amin’ireo masoivohao eto Madagasikara no mahafantatra hoe “Fa iza io Minisitra io? Ahoana ny tantarany? Inona no fantatra momba azy?”. Izany hoe “Olona fantany ny momba azy sy ny tantarany eo amin’ny sehatra tantaniny…”. Ny fomba fitenin’ny ambasadaoro anie “Gagnant Gagnant” foana ary izay no maha diplomaty azy, fa raha tokony hanome 20 ariary izy dia mety 5 ariary ihany no omeny hitazomany ilay fifandraisana fotsiny, hoy ity manam-pahaizana ity. Mety hiteny aza ny sasany hoe “Hanome vola anareo izahay fa tsy ianareo no mitantana izany fa izahay ihany sns…


” TSY AFAKA MANAO FAHADISOANA …”
Koa zava-dehibe ny mason-tsivana amin’ny mpiara-mitolona fa tsy izay loatra no zava-dehibe amin’ny mpamatsy vola ka mety mpiara-mitolona mafana fo be no ho tendrena ministra, fa olona tsy fantatry ny mpamatsy vola na fantany ihany fa tsy dia tsara loatra ny tantarany. Indrindra moa raha miampy mpiara-miasa “arriviste” no manodidina ilay ministra dia ho tapitra ihay ilay roa taona sy tapany fa tsy misy fandrosoana sy fivoarana hita. Koa fahadisoana toy izany no mila hialana fa ny politikan’ny “Peu importe la couleur du chat pourvu qu’il attrape des souris” ihany ampiasaina ka ny “Obligation de résultats” ihany fa tsy akamakama sy fisolelahina na hena maso sy tahotra na “quota” an-draX na RaY no ametrahana amin’izao fotoana efa fohy (2è mi-temps) hamitan’ny Filoha Rajoelina ny fe-potoana hiasany izao. Itantsika tamin’iny 2 taona sy tapany voalohany iny izany ka “the right person at the right place” tompoko fidiana ho Ministra sy izay ho mpiara-miasa aminy, hoy i Pr Jonah Ratsimbazafy tsy nisorona.
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Nidina ifotony nanaramaso ny lisipifidianana teny amin’ny fokontany Andafiavaratra

Card image cap
27-mars-2024

Mbola tena marefo ny fiainan’ny antoko politika eto Madagasikara hoy Ramatoa Mireille Andriambolanoro,

Card image cap
27-mars-2024

Tsy mametram-panontaniana ve isika, hoy i Raobelina Andry avy ao amin’ny kolekitifa an’ny Malagasy hoe :

Card image cap
27-mars-2024

Sarotra ny hananana fanantenana fa hiova hahomby izao fitondrana misy izao.

Card image cap
27-mars-2024

Vaovao politika nalaza tao anatin’ny 48ora farany ny fanambarana politika

Card image cap
27-mars-2024

Nisy ny tafa tamin’ny mpanao gazety nataona parlemantera vitsivitsy,

Card image cap