dia izao no hambaran ' ny tenin 'Andriamanitra araka izay voasoratra ao amin 'ny (Isaia : 3 ; 11) manao hoe : Lozan 'ny ratsy fanahy ! hiharan 'ny ratsy izy, satria ny valin 'ny nataon 'ny tanany ihany no hanody azy. Araka io tenin 'Andriamanitra io, dia heverina fa tsy misy mihitsy valifaty politika na didijadona hataon 'ny fitondram - panjakana ankehitriny araka ny ambetitenin ' ny lehiben 'ny fanoherana eo anivon 'ny Antenimieram-pirenena Atoa Milavonjy Philobert sy ireo sasantsasany mpomba an - dRajoelina. Ny nataonareo ihany no nanody anareo, araka ny tenin ' Andriamanitra etsy ambony ; koa aoka tsy ho vohizina mihitsy ny hoe : " Hiteraka tsy filaminana eto amin 'ny firenena " io fanenjehana sy fanagadrana ny olona mpanara - dia an ' i Andry Rajoelina io, araka ny tenin ' Atoa Milavonjy Philobert hatrany. Ny zavatra tsy tokony ho hadinotsika Atoa Milavonjy Philobert, dia izao zavatra mitranga eto amin 'ny firenena izao, dia efa nambaran ' ny tenin ' i Jesosy avokoa, araka izay voasoratra ao amin 'ny (Lioka, 21 ; 22) manao hoe : Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra. Koa araka izany dia marina amin 'ny teniny Andriamanitra, koa tsy aleo ve manaiky ny sitrapony isika, fa tsy hoe : hila voa tsy hary sy handrangaranga ady eto amin ' ity firenena ity sanatria ? Ety am - pamaranana aho, dia mankahery izao fitondrana ho amin 'ny fanavaozana izao. Tohizo tompoko ny adidy masina izay napetraky ny Tompo aminareo, fa tena sitrapon 'Andriamanitra izao " Fanavaozana" izao, araka izay voasoratra ao amin 'ny (Apok, 21 ; 5) manao hoe : Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Amen
Pati
Légende : Izy no Pr Joseph mpanompon'Atra sady mpandinika raharaham-pirenena !