airtel

Politique

16-août-2021

Politique

Pr Ralison Roger « Ataovy mifanaraka amin’ny zava-misy ny vinan’asa »

Sample post image

Rehefa noana ny kibo, mivezivezy ny fanahy, hoy ny filohan’ny firaisankinan’ireo mpanolontsain’ny tetezamita teo aloha na ACS, ny Pr Ralison Roger.

16-août-2021

Ny sosialim-bahoaka no mila karakarain'ny fanjakana aloha fa tsy maika hanorina fotodrafitrasa izay marina fa miteraka asa, saingy asa mandra-pitsangany fotsiny. Ao anatin'ny sehatra fahatelo na "Sehatra fisitrahana" ny fotodrafitrasa, fa ny sehatra voalohany dia ny fambolena sy fiompiana ary fitrandrahana, sy ny sehatra faharoa dia fanodinana vokatra, no miteraka asa sy mampahazo aina ny toekarena.Tsara ny manana vinan’asa fa ataovy mifanaraka amin'ny zavamisy iainana, hoy hatrany ny tenany. Nilaza moa ny ACS fa fotoana izao tokony hamarotana ireo ambina andramena nogiazana tamin’ny tetezamita mba hahafahana manangana banky malagasy ho an’ny fampandrosoana fa eo koa ny tokony hijerena izay fomba hamerenana indray ireo orinasa malagasy hita ho nitera-bokantsoa ho an’ny toekarem-pirenena toy ny SECREN sy ny Solika malagasy na SOLIMA.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap