airtel

Politique

11-août-2021

Politique

Pr René Rasolofo “Handefasan’olona satroka manga angamba isika vao hanenina”

Sample post image

Vao tonga alina (TTF: alin’ny alatsinainy teo) teto Antananarivo aho, hoy ny Pr René Rasolofo, filozofa sy mpanao politika. 200 km ny elanelan’Antsiranana sy Antananarivo, hoy izy.

11-août-2021

 140 km eo no manelanelana an’Antsiranana sy Ambilobe izay azo heverina hoe raha faran’ny tsy mandeha ianao dia tokony ho adin’ny 2 sasany angamba dia vita. Ao anatin’ny ora 8 na 9 aza nefa izany vao vita. Ratsy ny lalana ary mampanontany tena hoe mbola misy fitondrana mitsinjo ny faritra sy ny vahoaka monina ao aminy ve eto Madagasikara sa hoe aleo samy mizaka izay mahazo azy any, sanatrian’ny vava? Ny hahatongavako eto tsy araka ny hevitry ny sasany hoe hankalaza ny 10 aogositra. Fifandrifian-javatra io fa misy antony ara-pianakaviana no niakarana nefa ny raharaham-pirenena tsy maintsy hatrehina. Isaorana ny fikambanan’ireo filankevitra ambonin’ny tetezamita teo aloha nilaza hoe tokony hamidy ny andramena mbola voatahiry. Ny adinony dia hoe vao misokatra indray io fivarotana io dia tsy maintsy handeha indeha indray ny teviala satria hoe efa mandeha indray ilay izy. Vao haingana ao no nahita tamin’ny haino aman-jery ilay hoe hatrany amin’ny ambasady mbola misy kaontenerana andramena. Tsy resahana mihitsy hoe iza no nandefa an’iny? Mampiheritreritra ihany ny hoe nisy voasambotra dia nalefa any am-ponja vonjimaika tonga dia Tsiafahy. Ny olona efa fantatra sy voatsara ary heverina fa tena hoe tafahoatra eo amin’ny habibiana nataony no mandeha amin’izany lalana izany. Lazaina fa ny mpitandro filaminana no tandroka aron’ny vozona ka raha sanatrian’ny vava ireo indray no diso fanantenana ka hanao ny tsy fanao dia hifanome tsiny an-trano eto isika. Te hiteny foana aho hoe tsy mankasitraka ny hisian’izany korotam-be izany sanatrian’ny vava ka ho araraotin’ny firenen-kafa handefasana satro-manga na miaramilan’ny firenena mikambana sy ny karazany eto dia izay angamba vao hanenina tongotra aman-tanana eo anatrehan’izay paika diso lalana izay. Ny fiverenana miara-midinika amin’ny vahoaka no jery todika lehibe indrindra tsy maintsy atao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap