airtel

Politique

29-sept-2021

Politique

Rabekoto Arizaka Raoul Mbola baraingo ny fisamborana azy

Sample post image

Sazy 10 taona an-terivozona sy lamandy 500 tapitrisa Ar, io no didy navoakan’ny PAC (Pôle Anti-Corruption) ho an-dRabekoto Arizaka Raoul taorian’ny fitsarana mandrak’alina ny alatsinainy teo.

29-sept-2021

Voaheloka higadra 5 taona an-tranomaizina ihany koa ny praiminisitra teo aloha ny Jeneraly Jean Ravelonarivo satria ny orinasany no voatondro fa nahazo tombotsoa tamin'ilay fanodikodinam-bola. Sazian'ny fitsarana handoa 200 tapitrisa ariary ihany koa ilay orinasa nanorina ny complexe Sportif an'ny CNaPS eny Vontovorona no sady tsy mahazo miasa mandritra ny 6 taona. Samy tsy nanatrika ny fitsarana omaly moa izy mirahalahy voaheloka ireto. Nenjehin’ny fitondrana ankehitriny ho nanao kolikoly goavana tao amin’ny CNaPS moa ity Tale Jeneralin’ny CNaPS teo aloha ary Filohan’ny Federasionin’ny baolina kitra (FMF) am-perin’asa ity. Sazy henjana ary mihatra avy hatrany. Mbola miampy tsy fahafahana mandray anjara amin'ny raharaham-panjakana sy izay resaka fifidianana rehetra mandritra ny 10 taona. Fanodinkodinana volam-panjakana, fanaparam-pahefana, fanararaotam-pitokisana, hosoka,... no ambara fa vesatra, ka isan’ny iompanan’izany ny fananganana ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantenan’ny CNaPS ny Vontovorona. Tsara ny mampahatsiahy etsy an-daniny, fa mpitsara ambony Rabekoto Arizaka Raoul, nitantana ny CNaPS tao anatin’ny fotoana naharitra satria efa hatramin’ny fitondrana Ravalomanana, nahazo loka iraisam-pirenena tamin’ny fahaiza-mitantana tany amin’ny taona 2017-2018 tany ho any, nesorina rehefa tonga teo amin’ny fahefana Atoa Andry Rajoelina. Voahenjika ara-pitsarana, ary voatery nitsoaka any ivelany. Heverina ho isan’ireo nanaovan’ny Filoha vava be tamin’ny 30 septambra tamin’ny filazana fa migafy ny FMF izay izy no Filohany, ka nilazan’I Andry Rajoelina hoe: “Fantatro tsara ianareo ireo, tsy mbola ho vita io raharaha io, ho hitanareo ny hanjo anareo”.
TENA HO VITA VE NY FAMPIHARANA NY DIDY ?
Nilatsaka ny didy, izay mety hiteraka fahapotehana ho an’ny lehiben’ny CNaPS teo aloha eo amin’ny rafitra ny kitra Malagasy sy Afrikanina amin’ny maha olona voaheloka azy. Andrasana anefa izay ho tohiny. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe: ho vitan’ny Fanjakana ankehitriny ve ny misambotra sy mampody an’ity Tale Jeneralin’ny CNaPS teo aloha ity ? Efa namoahana didy fampisamborana iraisam-pirenena izy, saingy raha tsiahivina dia niseho niharihary nifidy ny Filohan’ny CAF ny 12 martsa lasa teo tany Maraoka. Moa ve fantatra mazava hoe aiza marina nymisy azy amin’izao fotoana ? Tsy vao izy no namoahana didy fampisamborana iraisam-pirenena fa eo ihany koa ry Fanirisoa Ernaivo fa hatreto aloha toa tsy mbola tanteraka ireny fa asa amin’ity indray mitoraka ity. Na tiana na tsy tiana hita taratra ihany ny somary endrika politika ao anatiny. Tamin’ny tetezamita notarihin’i Andry Rajoelina, efa namoahan’ny Fitsarana didy am-polo taona an-tranomaizina ihany koa i Marc Ravalomanana .
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap