airtel

Politique

24-juil-2024

Rado Raparaoelina_Ady amin’ny fahantrana

« Avereno amin’ny kaominina ny fahefana »

Sample post image

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

24-juil-2024

80% ny salan’isan’ireo Malagasy mahantra amin’izao raha araka ny tatitra navoakan’ny banky iraisam-pirenena. Tena zava-doza izany amin’ny ankapobeny antony nanosika ny Ben’ny tananan’Ampitatafika, distrikan’Atsimondrano hilaza fa ny famerenana ny fahefana amin’ny kaominina ihany no tena vahaolana. Ny kaominina mantsy hoy izy no tena mahita ny olana eny ifotony hiainan’ny vahoaka ary afaka mamorona asa ho azy ireny. Raha ozinina iray isaky ny distrika iray no vitan’ny sasany hoy hatrany ity Ben’ny tanana ity dia mety hahavita hatsangana ozinina miisa 5 ny kaominina raha omena azy ny fahefana mba hanampiana ireo vahoaka tsy an’asa ao aminy. Notsiahiviny moa fa anisan’ny antony mampihanaka sy mampahazo vahana ny fahantrana eto amintsika ny hamaroan’ireo Malagasy tsy afaka mianatra loatra. Misy ihany ireo nahavita fianarana saingy manao asa tsy mifanaraka amin’ny fari-pahaizany. Ho an’ireo miasa indray dia notsindriany fa tsy mahovoka ny vidim-piainana ny vola raisiny. Ireo olona tsy an’asa hiantohan’ny fanjakana Frantsay ao Frantsa aza mantsy nambarany fa mbola mandray vola betsaka lavitra noho ireo mikarama isam-bolana eto amintsika. Mbola mandray 1300 Euros izy ireny izay mbola hiadiavany eo anatrehan’ny parlemantera hakarina hatrany amin’ny 1800 Euros. Eo an-danin’izay hoy hatrany izy dia tsy hita taratra loatra izay fandraisan’anjaran’ny fanjakana foibe amin’ny fanampiana ny vahoaka.
Pati
Legende : Izy no Rado Ramparaoelina, Ben’ny tananan’Ampitatafika !
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap