airtel

Politique

29-nov-2021

Politique

Raharaha anatin’ny Antoko TIM “Aleo mifampiresaka fa tsy mifanao toetra tsy zaka”

Sample post image

Niompana kokoa tamin’ny raharaha anatin’ny Antoko TIM ny lahatenin’ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa ny sabotsy 27 novambra teo tetsy amin’ny Magro Behoririka nandritra ny “rédynamisation”

29-nov-2021

na fameloma-maso ny TIM ao anatin’ny boriborintany I. Sary sy endrika iray nanehoan’ity Antoko ity fa iray tsy mivaky, taorian’ny tsy nahitana firy ity Depiote ity, ka nisy ny nandika fa mivaky ny TIM. “Betsaka ny nanantona ahy ary niteny hoe: faly be aho nahita an’I Me Hanitra, ary izaho ihany koa faly. Na somary nisavorovoro kely aza tao anatiny hoe: atao sa tsy hatao ny “redynamisation” ho an’ny Boriboriborintany I, dia betsaka ny nanontany hoe: fa ahoana marina?”, hoy ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa. Nahitsy kosa anefa ny tenany nilaza fa, “Tsara ny mifampiresaka fa tsy manao toetra tsy zaka mandroaka ny ato anatiny. Raha misy tsy mazava dia aleo mifampiresaka fa isika ato anatiny indray no mifanao valala an-karona dia ahoana no ahatongavan’ny olona raha izany no ataontsika”, hoy ity depiote ity. Notsipihiny fa “Tsy vitan’iny tamin’ny sabotsy iny ny “redynamisation”, fa isan’andro isan’andro no manao izany. Tsy miandry baiko na iza na iza ny any amin’ny FokTIM hoe izao no mety any amin’ny fokontany misy azy, fa mba manao tatitra amin’ny zavatra mety aminy kosa anefa. Ny zavatra mety amin’ny boriborintany iray mety tsy ho mety any amin’ny hafa. Tsara foana ny mifanaja sy mifampiresaka na ho an’ny FokTIM na DisTIM na Birao politika, hoy izy. Nambarany fa ny “redynamisation” ho an’ny TIM, dia efa tokony natao tamin’ny roa taona lasa fa somary tara aza izao. Ny eo amin’ny Mpitondra Fanjakana anefa dia nambarany fa efa mangalatra fiaingana, ary efa manomboka mangala-bato any amin’ny Fokontany. Anjaran’ny Fokontany amin’ny alalan’ny FokTIM no mijery ny lisitra any amin’ny fokontany, manomboka any aloha satria ny fanavaozana ny lisi-pifidianana isan-taona, fa ny “refonte”, dia izaky no tokony hatao. Tamin’ny 2012 no natao farany, dia ka tokony hisy amin’ny 2022. Ny rehetra mbola tsy nifidy izany tokony hanamarina izany, hampiditra ny anarany,… raha ny toromarik’io Depiote lany tao amin’ny Boriborintany voalohany io.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Hanao rodorodo any Toamasina hiatrika ny filankevitry ny minisitra mitety faritra anio

Card image cap
17-avril-2024

Efa niteny ny antoko politika Teza fa tsy handray anjara amin’io fifidianana io satria ho haingon-tsehatra

Card image cap
17-avril-2024

Mitohy ny fanapahan-kevitra hafahafa ao amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza taorian'ny nanonganan'ny IRD

Card image cap
16-avril-2024

Anio 16 aprily 2024 no hamoahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na

Card image cap
16-avril-2024

Isan’ireo antoko nanapa-kevitra handray anjara amin’ny fifidianana ny antoko politika Otrikafo

Card image cap
16-avril-2024

Mbola misy ny antsojay amin’ireo tsy ao anatin’ny antoko politika miaraka amin’ny fitondrana

Card image cap