airtel

Politique

21-déc-2021

Politique

Raharaha Apollo 21 Nammpiakatra ny raharaha ireo mpisolovava

Sample post image

Nametraka ny taratasy fampiakarana ny raharaha hangatahana fandravana didy teny amin’ny Fitsarana mpandrava didy na «Cours de cassation »

21-déc-2021

 ireo mpisolovavan’ireo voaheloka an’ireo voaheloka amin’ny raharaha « Apollo 21 » omaly alatsinainy 20 desambra. Ho fanoherana sy fangatahana fandravana ny didy nivoaka ny zoma lasa teo izany, izay tsiahivina fa olona miisa 6 tamin’ny 20 no nohelohin’ny Fitsarana misahana ny heloka bevava. Tsiahivina fa asa an-terivozona 20 taona ho an’i Paul Rafanoharana, asa an-terivozona 10 taona avy ho an’I Aina Razafindrakoto sy Marc François Philippe. Asa an-terivozona 5 taona ho an’ny vadin’i Paul Rafanoharana, ary 5 taona sazy mihantona avy ho an’ny jeneraly Victor Ramahatra sy Yvon Randriazanakolona na Sareraka. Samy manana ny mpisolovavany avy, saingy amin’ny ankampobeny dia samy maneho ny tsy fanajana ny zon’ny fiarovana, ny tsy fisian’ny porofo manamarina ny fanamelohana,… ireo mpiaro. Nilaza kosa ny Minisitry ny Fitsarana Atoa Imbiki Herilaza omaly fa voahaja ny fahaleovantenan’ny Fitsarana tao anatin’ny fandraisana an-tànana ity raharaha ity, ary toy izany ihany koa ny zon’ny olona voakasika.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap