airtel

Politique

02-sept-2021

Politique

Raharaha “Apollo 21” Vita ny “Enquête au fond”

Sample post image

Nanao tatitra fohy momba ny fivoaran’ny “Apollo 21” na ilay raharaha voalaza fa nisiana fikasana hamono ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny Tonia mpampanoa lalàna ambony Rtoa Berthine Razafiarivony omaly.

02-sept-2021

Nambarany, fa efa vita ny famotorana lalina na “Enquête au fond”, ary miditra amin’ny famintinana ny famotorana rehetra na “Interrogatoire récapitulatif” ny Fitsarana amin’izao fotoana izao. Rehefa vita iny dia hiroso amin’ny fitsarana, hoy izy. Nilaza io mpitsara ambony io, fa tsy ho ela, saingy mbola tsy voafaritra ny daty. Maro be rahateo ny olona nanaovana famotorana, raha ny fanazavana. Tsiahivina moa, fa olona 21 no tafiditra tao anatin’ny raharaha, ka 14 amin’ireo no natao andrimaso. Misy teratany Frantsay ny iray, ary Malagasy mizaka zom-pirenena Frantsay ny iray, miaramila sy zandary am-perin’asa 12 ihany koa no voasaringotra: 5 jeneraly, 2 kapiteny, ary 5 manamboninahitra lefitra. Misy zandary sy miaramila 4 efa misotro ronono ihany koa, ary sivily 5. Olona ambony 5 no voalaza fa nokendrena tao anatin’io ambara fa fikasana hamono mpitondra ambony antsoina hoe: “Apollo 21” io, ka tafiditra ao anatin’izany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Ny porofo ara-materialy eo am-pelantanana, dia ahafahana mamantatra ny tena atidoha an’io famonoana olona ambony sy fanonganam-panjakana io, araka ny efa nambaran’ny fampahalalam-baovaom-panjakana. Nahatrarana vola 900 tapitrisa, nogiazana niaraka tamin’ny fiara Patrol sy Nissan Harry body, basy fusil à pompe calibre 12 niaraka tamina bala miisa 6, solosaina sy finday, fitaovana informatika tamin’ny fisavana, ka anisan’ny hita ilay antontan-taratasy antsoina hoe: “Budget du projet Apollo 21” izay manazava ireo planina stratejika sy politika. Tao no nahitana fa olona 5 no nokendrena hovonoina, ahafaha-maka ny fahefana,… Tao ihany koa ny fisiana fifandraisana maro tamin’ny alalan’ny hafatra mifandraika amina olona ambony maro amina andrim-panjakana maro sy olon-tsotra. Nilaza ny Filoham-pirenena ny 8 aogositra fa misy mpanao politika ambony tafiditra ka dia miandry ny didim-pitsarana mety hamoaka an’io anarana io ihany koa ny rehetra hoe: iza ary ilay mpanao politika ambony ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap