airtel

Politique

05-août-2021

Politique

Raharaha famonoana ny Filoha 7 mianadahy nidoboka any am-ponja

Sample post image

Niakatra fampanoavana omaly 04 jolay ireo olona voarohirohy tamin’ny raharaha fikasana hamono ny Filoha Andry Rajoelina.

05-août-2021

 Nanomboka maraina hatramin’ny tolakandro sy ny hariva no nandeha ny fihainoana sy ny fakana am-bavany. Rakotra mpitandro ny filaminana ny faritry ny tribonaly Anosy. Miisa 21 ireo voarohirohy, tamin’ity raharaha ity, saingy 15 teo no nohainoana teny amin’ny Fitsarana Anosy omaly. Isan’ireo tafiditra tao anatin’izany ny manamboninahitra misotro ronono iray izay Praiminisitra tamin’ny fitondran’ny Amiraly Didier Ratsiraka sy kandidà iray nirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena tamin’ny taona 2006 amin’ireo. Ankoatra izay, olona 5 amin’ireo 15 ireo no jeneraly am-perinasa. Misy ihany koa zandary 2. Raha ny vaovao ofisialy azo omaly, “Olona telo voarohirohy amin'ny raharaha famonoana ny Filoha, Rajoelina Andry no nalefa eny Tsiafahy. Anisan'izany ireo teratany vahiny roa heverina fa atidoha nikotrika izany ary teratany Malagasy iray . Telo hafa kosa nalefa any Imerintsiatosika dia ilay Praiminisitra teo aloha , ny jeneraly iray nirotsaka hofidina filoham-pirenena tamin'ny 2006 ary tompon’andraikitra iray ambony eo anivon'ny zandarimaria . Vehivavy iray amin'ireo roa niakatra fampanoavana kosa nalefa any amin’ny fonjan’i Manjakandriana, raha toa ka voalaza fa marary ny iray amin'izy ireo ka nalefa eny amin'ny hopitaly”, hoy ny tatitra ofisialy avy amin’ny Fanjakana. Vesatra hanenjehana azy ireo ny fikambanana ao anaty olon-dratsy, tsikombakomba hamonoana ny Filoham-pirenena. Tamin’ny 11 ora teo no tonga teny Anosy ireo 7 ireo. Nohenohin’ny mpitsara mpanao famotodrana nandritra ny ora efatra ary nodidinin’ny mpiandro filaminana mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika teo am-pivoahana.


Efa manao tari-dàlana amin’ny mombambomba ireo olona voarohirohy sy nadoboka am-ponja vonjimaika ny vaovaom-panjakana izay manao fanafohizan-teny. Tsy tafiditra ao anatin’ireo naiditra am-ponja vonjimaika kosa ilay mpanakanto miasa eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika izay nosamborin’ny polisy vao maraina ny 27 jolay lasa teo. Ny alahady 01 aogositra teo, nambaran’ny tonia mpampanoa lalàna ambony fa olona 5 miaraka amin’ny Filoha ireo nokasaina hovonoina, saingy ny an’i Andry Rajoelina no malaza, raha toa ka tsy fantatra mazava kosa ireo olona 4 hafa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap