airtel

Politique

05-sept-2022

Politique

Raharaha Ikongo Nokianin’ny Jeneraly Ravalomanana ny Depiote Brunelle

Sample post image

Mbola adihevitra mitana ny sain’ny maro ilay toe-draharaha tany Ikongo nisiana fahafatesana olona maherin’ny roapolo. Nampiaka-peo manoloana an’io ny Depiote Brunelle Razafitsiandraofa solombavambahoaka voafidy tany an-toerana, ary filoha lefitry ny antenimieram-pirenena.

05-sept-2022

Naneho fa tsy avela fotsiny amin’izao, ka nandefasany taratasy any amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ary mbola nohamafisiny izany nandritra ny fahatongavany tany Ikongo ny faran’ny herinandro teo, rehefa avy nikarakara ireo pitsopitsony maro mikasika ity raharaha ity. Efa nanipika io depiote io, fa tsy misy basy ny vahoaka, ny fitondrana tehana any dia fomba fanao, merika lava ny any ary manampy amin’ny fandehanana. Misy ihany koa ny mitondra “goro” na antsy be izay fitondra any an-tsaha. Ny sasany olona te hahita raha, hijery raha, ny sasany hiantsena,… kanefa maty. Ny mpitandro filaminana no nanatona vahoaka, tsy tonga tamin’ny faritra mena… Amiko “tsy fiarovan-tena fa fandripahana vahoaka ny “rafale” tao anaty minitra lava kanefa tsy dahalo ny manoloana anao fa vahoaka”, hoy izy. “Niresaka tamin’ny vavolombelona maro aho, manana sary, manana video aho. Efa noresahany moa ny fisiana resaka an-tariby nisiana baiko avy any ambony hoe: “tonga dia rafaleo”. Nomena ahy ny anaran’io olona io, ny anaran’ilay tompon’andraikitra, fa misafidy ny tsy hamoaka aho, mba tsy tonga dia ho “cible” io”, hoy ny depiote Brunelle, izay marihina fa manamboninahitra ambony Contrôleur général de police. Ny Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena nilaza fa efa narahina ny an-tanan-tohatra sy ny fampitandremana rehetra. Manomboka henjehin’ny mpitondra ambony sasany ny Depiote Brunelle Razafitsiandraofa, tahaka ny efa natao azy tamin’ny raharaha fizarana ny faritra Vatovavy Fitovinany, tamin’ny fanakianany mivantana ny Praiminisitra noho ny tsy fahombiazan’ny fitantanan-draharaham-panjakana, tamin’ny filazany fa tsy maika ny teleferika raha ampilaharina amin’ny tokony ho laharampahamehana maika,… “Izy ary tsy any Ikongo akory fa eto Antananarivo foana. Ity efa misy maty any, bevava, kanefa mbola milanonana mamonjy Fetim-pirenena Indonezianina sy mitabataba amin’ny tele toy ilay tratran’ny rivodoza tany Ikongo”, io no fanehoan-kevitry ny Jeneraly Ravalomanana Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena teo aloha tany anaty adihevitra amin’ny tambazotran-tserasera, ary nisy nanao ilay antsoina hoe: “capture” moa io. Efa im-betsaka ny Depiote Brunelle no niantso ny mpitondra hoe: jereo Ikongo, vonjeo, làlana potika, mitoka-monina,… saingy toa tsy nisy niraharaha, fa rehefa misy loza vao taitra ny Mpitondra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
27-mars-2024

Nidina ifotony nanaramaso ny lisipifidianana teny amin’ny fokontany Andafiavaratra

Card image cap
27-mars-2024

Mbola tena marefo ny fiainan’ny antoko politika eto Madagasikara hoy Ramatoa Mireille Andriambolanoro,

Card image cap
27-mars-2024

Tsy mametram-panontaniana ve isika, hoy i Raobelina Andry avy ao amin’ny kolekitifa an’ny Malagasy hoe :

Card image cap
27-mars-2024

Sarotra ny hananana fanantenana fa hiova hahomby izao fitondrana misy izao.

Card image cap