airtel

Politique

27-avril-2022

Politique

Raharaha Lily Rafaralahy Resaka loko politika, hoy ny mpisolovava

Sample post image

Tsorina fa resaka loko politika na dosie politika, hoy ny mpisolovavan’ny mpanolontsain’ny tananan’Antananarivo, Lily Rafaralahy, Maitre Henintsoa Rajeriarison, ny raharaha Lily Rafaralahy.

27-avril-2022

Na hilaza aza ny ankilany, hoy izy, fa resaka fanalam-baraka fotsiny io, dia efa fantantsika fa misy manaraka ambongadiny izay lazain’ny ben’ny tanana rehetra fotsiny ao amin’ny kaominina ao. Misy ireo mpanolontsain’ny tanana mijoro amin’ny fahamarinana kosa nefa rehefa mahita ny tsy fihetezana eo anivon’ilay kaominina. Lasa misy loko politika ao anaty kaominina, indrindra, ataon’ireo miaraka amin’ny mpitondra ankehitriny. Halako bika sy tsy tiako tarehy fotsiny satria anatin’ny antoko hafa. Tafiditra anatin’ilay hoe fizarana solika ataon’ny ben’ny tanana izay hanavakavahany ireo mpanolontsain’ny tanana. Hatramin’izay no efa nisy olana ny kaominina satria lasa ataon’ny ben’ny tanana araka izay itiavany azy ny fitondrana ny mpanolontsain’ny tanana ao amin’ny kaominina. Ireo mpanolontsaina manaikinaiky azy sy manaiky ny fitondrana rehetra ataony na misy tsy fanarahan-dalana ao na misy tsy mifanaraka amin’ny sata mifehy ny kaominina dia omeny ilay solika rehefa manaikinaiky azy. Izay rehetra hita sahy mijoro na sahy manontany fotsiny ny tsy fangaraharahana ao anaty kaominina aza dia tsy misitraka izay resaka solika izay. Misy orinasan’ny kaominina maro natsangana izay tsy fantatry ny mpanolontsain’ny tanana akory ny fisiany sy ny sata momba azy ka rehefa nangataka ny taratasy momba izany ireo mpanolontsaina dia io no tsy nahafaly ireo mpanolontsaina miaradia amin’ny ben’ny tanana ary nitoriany ireo namany hoe manao fanalam-baraka nefa raha tsiahivina dia hoe nisy orinasa natsangan’ny ben’ny tanana niaraka tamin’ny ekipa sasany sy olon-kafa tsy ao anatin’ny kaominina. Rehefa tsy nanome ny taratasy ho jerena ny kaominina dia tao amin’ny pejy Facebook an-dramatoa Faniry Ernaivo no nivoaka ny mombamomba ilay orinasa ary nataon’olona maro fizarana na “partage” ary isan’ny nanao izany moa I Ramatoa Lily Rafaralahy. Nitsangana amin’izay ramatoa Lalatiana Ravololomanana ary nilaza fa diso iny niparitaka tanaty Facebook iny. Maninona raha ampahafantarina ny mpanolontsain’ny tanana na ny vahoaka Malagasy fotsiny aza ilay fahamarinana, hoy hatrany ity mpisolovava ity?
J. Mirija
Legende: Ny Maitre Henintsoa Rajeriarison


 

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap