airtel

Politique

12-janv-2021

Politique

Raharaha mafampana eto amin'ny firenena Tsy andrenesam-peo ingahy praiminisitra

Sample post image

Mangingina tsy andrenesam-peo ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta

12-janv-2021

 

 

 

Atoa Ntsay Christian eo anatrehan’ny toe-draharaha maro mafana, toy ny trafikana volamena 73,5kg, ny grevin’ny ENS nandeha, ny fitokonan’ny mpitsirika asa (inspection de travail), ny fiakaran’ny trangana covid-19,... Efa lasa raharaham-panjakana goavana ilay trafikana volamena, izay nilazana tao anatin’ny Filankevitry ny minisitra ny 6 janoary, fa tsy maintsy ampodiana eto Madagasikara. Ny Praiminisitra no lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana eto, ary tsiahivina fa efa nisy fotoana minisitry ny raharaham-bahiny vonjimaika izy, olona manana traikefa be amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena amin’ny maha Fonksionera iraisam-pirenena azy, ary mety anisan'ny “négociateur” na mpanalalana mafy eto amin’ny firenena. Izy izany no tokony lohalaharana amin’io resaka volamena io satria efa lasa raharaha iraisam-pirenena. Marina fa manana Minisitry ny raharaham-bahiny isika, manana minisitry ny Fitsarana,… saingy raha ny lentan’ny zava-misy, dia efa tokony hiditra an-tsehatra ny Praiminisitra amin’ny Lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana azy rahateo. Ny ao anaty governemanta rahateo toa efa mifanipaka ny ambaran’ny sasany toy ny hoe: ny iray milaza fa oktobra, ny iray miteny fa ny aogositra no efa voarara ny fanondranana volamena. Ny tsapa anefa, mangina tanteraka ny Praiminisitra Ntsay Christian. Ankoatra io, korontana teto ny resaka fampianarana nisian’ny Grevin’ny ENS, ny an’ny Mpitsirika asa (Inspection de travail) izay efa naneho ny tsy fahaliany tamin’ny Minisitry ny asa sy ny lalàna sosialy, fa tsy mahavaha olana ity farany, fa ny Praiminisitra sy ny Filoha no andrasan’izy ireo. Efa hatramin’ny novambra rahateo ny grevy. Ny resaka ara-pahalamana nisy fahadisoana ara-pitantanana na tiana na tsy tiana satria navela ho gaboraraka,… izay mety izy no tsara toerana nanao ny « rappel à l’ordre » na ny fiverenana amin’ny fanarahana lalàna sy fitsipika,… Tafiditra ao anatin’ny raharaham-panjakana toa tsy voafehy intsony ireny, kanefa toa mangingina sy tsy handrenesam-peo ny Praiminisitra ka asa na tsy te hidi-bingo na ahoana ?

Toky R

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap