airtel

Politique

22-juil-2021

Politique

Raharaha mafampana miseho Sao mba fanodinana saim-bahoaka fotsiny ?

Sample post image

Ahitana toe-javatra hafahafa miseho miteraka resabe foana eto amin’ny firenena. Toa mifandraika hatrany amin’ny tontolo politika eto amin’ny tany sy ny Fanjakana.

22-juil-2021

 Tato ho ato, dia mipetraka sy maneho fa lasibatra foana ny mpitondra, toy io hoe misy mikasa hamono io. Ny mahagaga, fantatry ny mpitandro filaminana avy hatrany ary ambara fa tsy tanteraka ny fikasana satria tsy vao izao io resaka famonoana olona ambony io, fa efa tao anatin’ny tapa-bolana mahery izay, ka ny jeneraly malaza iray ao amin’ny governemanta no nambara fa saika hovonoina ankoatra ireo minisitra sasany. Haingana be izany ny loharanom-baovao rehefa olona ambony ka vao fikasana dia efa voasakana, fa tsy toy ny ankamaroan’ny asan-jiolahy miseho eto. Somary mampametra-panontaniana hoe: tena zava-marina sa sanatria zavatra iniana volena hanodinana saim-bahoaka? Isan’ny nitana ny sain’ny maro tato ho ato mantsy ny adilahy politika, ny fitakiana fialana minisitra sy fanovana governemanta izay ny samy mpitondra no mifamely na koa mifanasa vangy mihitsy. Tao anatin’ny tapa-bolana io no tena nahazo laka, ary efa nisy minisitra nilaza aza fa efa natao tokoa ny tombana ary ny Filoha no tompon’ny fotoana amin’ny mety ho fanovana raha hisy. Mikasika ny governemanta dia ny 29 janoary 2020 no nisy fanovana governemanta farany, raha toa ka fanovana noho ireo toerana banga ihany no nisy ny 20 aogositra 2020 ankoatra ny fanoloana ny minisitry ny fahasalamana. Nivoaka indray ny resaka fanovana, ary ny avy any an-dapa aza ahazoana loharanom-baovao momba izany. Hatreto tsy mety tanteraka io, ka sao mba hoentina hamiliana ny sain’ny olona tsy ho any amin’izany aloha ity resabe momba ny fikasana hamono ny Filoha ity? Tsy azo tsinontsinoavina ihany koa anefa io resaka io, ary tsy azo hadika avy hatrany ho zavatra iniana ahely hanodinana saim-bahoaka ka dia andrasana izay ho tohiny na koa hangingina tampoka toy ireo raharaha niteraka resabe maro teto.
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Nidina ifotony nanaramaso ny lisipifidianana teny amin’ny fokontany Andafiavaratra

Card image cap
27-mars-2024

Mbola tena marefo ny fiainan’ny antoko politika eto Madagasikara hoy Ramatoa Mireille Andriambolanoro,

Card image cap
27-mars-2024

Tsy mametram-panontaniana ve isika, hoy i Raobelina Andry avy ao amin’ny kolekitifa an’ny Malagasy hoe :

Card image cap
27-mars-2024

Sarotra ny hananana fanantenana fa hiova hahomby izao fitondrana misy izao.

Card image cap
27-mars-2024

Vaovao politika nalaza tao anatin’ny 48ora farany ny fanambarana politika

Card image cap
27-mars-2024

Nisy ny tafa tamin’ny mpanao gazety nataona parlemantera vitsivitsy,

Card image cap